Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1971
III. Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely
Mety ny mampifandray ny katesezy môraly ao amin’ny fampianaran’ny apôstôly , tahaka ny ao amin’ny Rôm 12-15; 1 Kôr 12-13; Kôl 3-4; Efez 4-6; sns., amin’ny toritenin’ny Tompo. Izany fitambaram-pampianarana izany no …
→
-
1972
III. Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely
Ny Lalàna vaovao dia antsoina hoe lalàm-pitiavana , satria izy no mampiasa amin’ny alalan’ny fitiavana izay arotsaky ny Fanahy Masina fa tsy amin’ny alalan’ny tahotra ; lalàm-pahasoavana , satria izy no manome …
→
-
1973
III. Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely
Ankoatra ireo didy amin’ny Lalàna vaovao, dia misy koa ireo torohevitry ny Evanjely avy aminy. Ny fanavahan’ny lovam-pampianarana ireo didin’ Andriamanitra amin’ireo torohevitry ny Evanjely, dia miorina amin’ny fitiavana, izay fahalavorarian’ny fiainana …
→
-
1974
III. Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely
Ireo torohevitry ny Evanjely dia maneho ny fahatanterahana amin-kery ny fitiavana tsy mety afa-po na oviana na oviana raha tsy mahafoy bebe kokoa lalandava. Izy ireo no manamarina ny ezaka ataony sy …
→
-
1975
III. Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely
Araka ny Soratra Masina, ny Lalàna no fampianaran’ny maha-ray an’ Andriamanitra izay mandidy ny olombelona hanaraka ny lalana mitondra amin’ny hasambarana nampanantenaina sy mandrara tsy hizotra amin’ny lalan’ny faharatsiana.
→
-
1976
III. Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely
“ Ny lalàna no fandaminan’ny saina ho amin’ny soa iombonana, avoakan’ ilay izay miadidy fikambanana ” [37] .
→
-
1977
III. Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely
I Kristy no anton’ny lalàna [38] , Izy irery no mampianatra sy manome ny fahamarinan’Andriamanitra.
→
-
1978
III. Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely
Ny lalàna voa-Janahary dia fandraisan’ny olombelona anjara amin’ny fahendrena sy ny hatsaram-pon’Andriamanitra, noho izy natao mitovy endrika amin’ilay Mpahary azy. Ny lalàna voa-Janahary no maneho ny fahamendrehan’ny olombelona, ary manorina ny fototry …
→
-
1979
III. Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely
Tsy miovaova ny lalàna voa-Janahary, ary maharitra eny am-pamakivakiana ny tantara. Mijanona ho manan-kery amin’ny maha-fitsipika azy, ireo fitsipika izay mampiseho ny lalàna voa-Janahary. Fototra ilaina amin’ny fanorenana ny fitsipika ara-môraly sy …
→
-
1980
III. Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely
Ny Lalàna taloha no toetra voalohany ny lalàna nambara. Voafintina ao amin’ny didy folo ny baikony ara-môraly.
→
-
1981
III. Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely
Mirakitra fahamarinana maro takatry ny saina amin’izao fotsiny ny Lalànan’i Môizy. Nambaran’Andriamanitra izy ireny satria tsy voavakin’ ny olombelona ao am-pony.
→
-
1982
III. Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely
Fanomanana ny Vaovao Mahafaly ny Lalàna taloha.
→
-
1983
III. Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely
Ny Lalàna vaovao no fahasoavan’ny Fanahy Masina noraisina tamin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy, tanterahina amin’ny alalan’ny fitiavana. Amin’ny toritenin’ny Tompo teo an-Tendrombohitra no isehoany manokana, ary ireo sakramenta no ampiasainy mba hampitana …
→
-
1984
III. Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely
Ny Lalàn’ny Evanjely no manatanteraka, mihoatra ary mitondra ho amin’ ny fahalavorariany ny Lalàna taloha : ireo fampanantenany amin’ny alalan’ireo hasambaran’ny Fanjakan’ny lanitra, ireo didiny amin’ny fanavaozana ny fototry ny asa, dia …
→
-
1985
III. Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely
Ny Lalàna vaovao dia lalàm-pitiavana, lalàm-pahasoavana, lalàm-pahafahana.
→
-
1986
III. Ny Lalàna vaovao na Lalànan’ny Evanjely
Ankoatra ireo didy amin’ny Lalàna vaovao, dia misy koa ireo torohevitry ny Evanjely avy aminy. “ Ny fahamasinan’ny Fiangonana dia voatsimbina indrindra amin’ny alalan’ireo torohevitra maro be izay natolotry ny Tompo ao …
→
-
1987
I. Ny fanamarinana
Manana fahefana hanamarina antsika ny fahasoavan’ny Fanahy Masina, izany hoe mandio antsika noho ny fahotantsika sy mampita amintsika “ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa-Kristy” (Rôm 3,22) sy amin’ny alalan’ny Batemy [40] …
→
-
1988
I. Ny fanamarinana
Noho ny herin’ny Fanahy Masina, dia sady mandray anjara amin’ny fijalian’i Kristy isika maty amin’ny fahotana, no mandray anjara koa amin’ ny Fitsanganany ho velona ka ateraka amin’ny fiainam-baovao ; sady rantsambatan’i …
→
-
1989
I. Ny fanamarinana
Ny tsanganasa voalohany amin’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina dia ny fibebahana , izay mahatonga fanamarinana araka ny nolazain’i Jesoa amin’ny fiantombohan’ny Evanjely hoe : “Mibebaha ianareo, fa akaiky tokoa ny Fanjakan’ny lanitra” (Mt …
→
-
1990
I. Ny fanamarinana
Ny fanamarinana no manala ny olona amin’ny fatotry ny fahotana izay fitsipahana ny fitiavan’Andriamanitra, sy mandio ny fony amin’izany. Tanteraka ny fanamarinana, aorian’ny fahazoana ny famindram-pon’ Andriamanitra izay anomezana ny famelan-keloka. Izy …
→