I. Ny fanamarinana
Laharana 1989 amin’ny Katesizy
Ny tsanganasa voalohany amin’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina dia ny fibebahana, izay mahatonga fanamarinana araka ny nolazain’i Jesoa amin’ny fiantombohan’ny Evanjely hoe : “Mibebaha ianareo, fa akaiky tokoa ny Fanjakan’ny lanitra” (Mt 4,17). Ny fanentanan’ny fahasoavana no mampiverina ny olombelona amin’Andriamanitra, sy mampiala azy amin’ ny fahotana, sady koa andraisany ny famelan-keloka sy ny fanamarinana avy any ambony. “Noho izany, ny fanamarinana dia mirakitra famelana ny fahotana, fanamasinana ary fanavaozana ny olona anaty”[44].