I. Ny fanamarinana
Laharana 1988 amin’ny Katesizy
Noho ny herin’ny Fanahy Masina, dia sady mandray anjara amin’ny fijalian’i Kristy isika maty amin’ny fahotana, no mandray anjara koa amin’ ny Fitsanganany ho velona ka ateraka amin’ny fiainam-baovao ; sady rantsambatan’i Kristy isika ao amin’ ny Fiangonana Vatany[41], no sampam-boaloboka vita grefy amin’ny Tenany Voaloboka[42] :
Amin’ny alalan’ny Fanahy no ananantsika anjara amin’ Andriamanitra. Ary amin’ny alalan’ny fandraisana anjaran’ny Fanahy, no manjary mpandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra isika (...). Noho izany, ireo izay onenan’ny Fanahy dia voasandratra ho Andriamanitra [43].