Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1186 IV.Aiza no mankalaza ? Farany, mirakitra hevitra momba ny any am-parany any ny fiangonana. Mba hidirana ao an-tranon’Andriamanitra, tsy maintsy mandingana ny tokonana , izay fanehoana an’ohatra ny fandalovan’ny tontolo voaratran’ny fahotana ho amin’ny tontolon’ny Fiainam-baovao …
  2. 1187 IV.Aiza no mankalaza ? Tsanganasan’i Kristy manontolo, Loha sy Vatana, ny litorzia. Mankalaza izany tsy an-kijanona amin’ny litorzia any an-danitra ny Mpisorombe-ntsika, miaraka amin’ny Reny Masin’Andriamanitra, ny apôstôly, ny olomasina rehetra ary ireo olona tsy tambo …
  3. 1188 IV.Aiza no mankalaza ? Amin’ny fankalazana litorzika, ny Mpiangona manontolo no “ mpilitorzia ” , ny tsirairay arakaraka ny anjara asa manandrify azy. Ny maha-mpisorona avy amin’ny Batemy dia an’ny Vatan’i Kristy manontolo. Misy anefa mpino …
  4. 1189 IV.Aiza no mankalaza ? Ny fankalazana litorzika dia mirakitra famantarana sy fanehoana an’ohatra izay misy avy amin’ny zavaboary (hazavana, rano, afo), misy avy amin’ny fiainan’ny olombelona (manasa amin’ny rano, manosotra menaka, manapatapaka mofo) ary misy avy …
  5. 1190 IV.Aiza no mankalaza ? Ny litorzian’ny Teny dia ampahany tsy azo esorina ao anatin’ny fankalazana manontolo. Ny hevitra raketin’ny fankalazana dia ambara amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra izay torìna sy amin’ny alalan’ny firotsahana amin’ny finoana izay amaliana izany.
  6. 1191 IV.Aiza no mankalaza ? M isy fifandraisana mafy amin’ny asa litorzika ny hira sy ny mozika. Toy izao ny mari-pitsaràna amin’ny fampiasana tsara azy ireny : ny fanehoam-pankafizana ny fivavahana, ny firaisam-pon’ny mpiangona mandray anjara, ary …
  7. 1192 IV.Aiza no mankalaza ? Ny sary masina, fahita ao am-piangonantsika sy ao an-tranontsika, dia natao hamohafoha sy hamelombelon’aina ny finoantsika ao amin’ny misterin’i Kristy. Amin’ny alalan’ny Sarimasin’i Kristy sy ny tsanganasam-pamonjeny, dia Izy no tsaohintsika. Amin’ny …
  8. 1193 IV.Aiza no mankalaza ? Ny alahady, “ Andron’ny Tompo ” , no andro lehibe indrindra fankalazana ny Eokaristia, satria io no andron’ny Fitsanganan-ko velona. Andro soa indrindra amin’ny andro iangonan’ny mpino amin’ny fankalazana litorzika, andron’ny fianakaviana …
  9. 1194 IV.Aiza no mankalaza ? “ Asehon’ny Fiangonana mandritra ny fihodin’ny taona ny misterin’i Kristy manontolo, manomboka amin’ny Fahatongavany ho nofo sy ny Fahaterahany ka hatramin’ny Fiakarany any an-danitra sy ny Pantekôty sy ny fiandrasana ny hasambarana …
  10. 1195 IV.Aiza no mankalaza ? Amin’ny fahatsiarovana ny Olomasina, loha laharana amin’izany ny Reny masin’Andriamanitra, manaraka izany ireo apôstôly, ireo martiry ary ireo Olomasina hafa, amin’ny andro noraiketina amin’ny taona litorzika, no ampisehoan’ny Fiangonana eto an-tany fa …
  11. 1196 IV.Aiza no mankalaza ? Ireo mpino izay mankalaza ny Vavaka isan’Andro dia miombona amin’i Kristy, Mpisorombentsika be fiandrianana, amin’ny alalan’ny vavaka salamo, ny fandinihana masina ny Tenin’Andriamanitra, ny tonon-kira ary ny tsodrano, mba hikambanan’izy ireo amin’ny …
  12. 1197 IV.Aiza no mankalaza ? I Kristy no tena Tempolin’Andriamanitra tokoa, “ toerana izay ao no onenan’ny voninahiny ” ; noho ny fahasoavan’Andriamanitra, manjary Tempolin’ny Fanahy Masina koa ny kristianina, vato velona izay iorenan’ny Fiangonana.
  13. 1198 IV.Aiza no mankalaza ? Amin’ny maha-eto an-tany ny Fiangonana, mila toerana izy, izay ao no ahazoan’ny ankohonan’ny mpino miangona : ny fiangonantsika hita maso, toerana masina, sarin’ny Tanàna masina, ilay Jerosalema any an-danitra izay mankany no …
  14. 1199 IV.Aiza no mankalaza ? Any amin’ireny trano fiangonana ireny no ankalazan’ny Fiangonana ny fivavahana ampahibemaso ho voninahitry ny Trinite Masina, ihainoany ny Tenin’Andriamanitra sy ihiràny ny fiderana Azy, anandratany ny fivavahany, ary anolorany ny Soron’i Kristy, …
  15. 1200 Lovam-panahy litorzika sy maha-katôlika ny Fiangonana Nanomboka tamin’ny Ankohonam-piangonana voalohany tao Jerosalema ka mandra-pahatongan’ny Fiverenan’i Kristy amim-boninahitra amin’ny farandro, na aiza na aiza, dia ny misterin’ny Paka iray ihany no ankalazain’ ireo Fiangonan’Andriamanitra tsy mivadika amin’ny finoana apôstôlika. …
  16. 1201 Lovam-panahy litorzika sy maha-katôlika ny Fiangonana Tsy hita noanoa ny haren’ny misterin’i Kristy, hany ka tsy misy lovam-panahy litorzika na dia iray aza afaka hahatapitra ny fanehoana izany. Ny tantaran’ny fisehoana amam-pivelaran’ireny fombam-pivavahana ireny dia manaporofo fifamenoana mampitolagaga. …
  17. 1202 Lovam-panahy litorzika sy maha-katôlika ny Fiangonana Ny lovam-panahy samihafa ara-litorzia dia nipoitra arakaraka ny fanirahana ny Fiangonana ihany. Ireo Fiangonana iray faritra ara-jeôgrafia sy ara-kolontsaina dia tonga mankalaza ny misterin’i Kristy amin’ny alalan’ny fanehoan-tandindona hafa kely, nasiana endrika …
  18. 1203 Lovam-panahy litorzika sy maha-katôlika ny Fiangonana Ny lovam-panahy litorzika, na fombam-pivavahana, ampiasaina ankehitriny ao amin’ny Fiangonana, dia ny fombam-pivavahana latinina (voalohany indrindra ny fombam-pivavahana rômanina, fa eo koa ireo fombam-pivavahan’ny Fiangonana sasany eo an-toerana toy ny fombam-pivavahana ambrôzianina, …
  19. 1204 Litorzia sy kolontsaina Noho izany, tokony hifanandrify amin’ny toetra mampiavaka ny firenena samihafa sy ny kolontsainy, ny fankalazana amin’ny litorzia [5] . Mba “hahafantaran’ny firenena rehetra” ny misterin’i Kristy, “ka hitarihana azy ireo hanaiky ny …
  20. 1205 Litorzia sy kolontsaina “Amin’ny litorzia, indrindra ny an’ny Sakramenta, dia misy ampahany tsy azo ovàna - satria fanorenana avy amin’Andriamanitra izany –, izay ny Fiangonana no mpitahiry, sy ampahany maro azo ovàna , izay ananan’ny …