IV.Aiza no mankalaza ?

Laharana 1199 amin’ny Katesizy

Any amin’ireny trano fiangonana ireny no ankalazan’ny Fiangonana ny fivavahana  ampahibemaso ho voninahitry ny Trinite Masina, ihainoany ny Tenin’Andriamanitra sy ihiràny ny fiderana Azy, anandratany ny fivavahany, ary anolorany ny Soron’i Kristy, eo anivon’ny mpiangona amin’ny alalan’ny sakramenta. Ireny trano fiangonana ireny koa no toerana anaovana fieritreretana sy vavaka irery.

Loharano ôfisialy ↗