Litorzia sy kolontsaina

Laharana 1204 amin’ny Katesizy

Noho izany, tokony hifanandrify amin’ny toetra mampiavaka ny firenena samihafa sy ny kolontsainy, ny fankalazana amin’ny litorzia[5]. Mba “hahafantaran’ny firenena rehetra” ny misterin’i Kristy, “ka hitarihana azy ireo hanaiky ny finoana” (Rôm 16,26), dia tokony hotorìna, hankalazaina ary hivelomana ao amin’ny kolontsaina rehetra io misteriny io, saingy tsy foanana akory ireny kolontsaina ireny fa havotana sy hotanterahina amin’ny alalany[6]. Miaraka sy amin’ny alalan’ny kolontsaina maha-olombelona an’ireo vahoaka be zanak’Andriamanitra, kolontsaina nozakain’i Kristy ao Aminy sy novàny endrika, no hanatonan’izy ireo eo akaikin’ny Ray, mba hankalaza Azy, ao amin’ny Fanahy iray ihany.

Loharano ôfisialy ↗