Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
2166
III . Ny anarana kristianina
Ny famantarana ny Hazofijaliana “ amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen ” , no anombohan’ny kristianina ny fivavahany sy ny ataony rehetra.
→
-
2167
III . Ny anarana kristianina
.Miantso ny tsirairay amin’ny anarany avy Andriamanitra [80] . “Tsarovinao ny andro sabata mba hanamasina azy. Mandritra ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao ; fa ny andro fahafito dia …
→
-
2168
I. Ny andro sabata
Ny didy fahatelo amin’ny Didy folo no mampahatsiahy ny fahamasinan’ ny sabata : “Ny andro fahafito dia sabata ; fitsaharana tanteraka natokana ho an’ny Tompo” (Eks 31,15).
→
-
2169
I. Ny andro sabata
Ny Soratra masina, amin’io teny io dia mampahatsiaro ny fahariana : “Satria ny andro enina no nanaovan’ny Tompo ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, fa nitsahatra Izy …
→
-
2170
I. Ny andro sabata
Ny Soratra masina dia maneho koa amin’ny andron’ny Tompo, ny fahatsiarovana ny fanafahana an’i Israely tamin’ny fanandevozana tao Ejipta : “Ho tsaroanao fa efa andevo tao amin’ny tany Ejipta ianao, ary ny …
→
-
2171
I. Ny andro sabata
Nankinin’Andriamanitra tamin’i Israely ny sabata mba hotandremany amin’ny maha famantarana ny fanekem-pihavanana tsy azo ravana azy [82] . Natao ho an’ny Tompo ny sabata, natokana amim-pahamendrehana amin’ny fiderana an’Andriamanitra, amin’ny tsanganasan’ny fahariany …
→
-
2172
I. Ny andro sabata
Ny asa amam-pihetsik’Andriamanitra no môdelin’ny asa amam-pihetsik’ olombelona. Raha “niala sasatra” Andriamanitra tamin’ny andro fahafito (Eks 31,17), dia tokony “tsy hiasa” koa ny olombelona sy hamela ny hafa, indrindra ny mahantra hiala …
→
-
2173
I. Ny andro sabata
Ny Evanjely dia mitatitra zavatra maro tsy ampoizina izay niampangana an’i Jesoa ho mandika ny lalànan’ny sabata. Kanefa, na oviana na oviana, tsy banga tamin’ny fankamasinana io andro io i Jesoa [85] …
→
-
2174
Ny andron’ny Fitsanganan-ko velona : fahariana vaovao
Nitsangan-ko velona avy amin’ny maty i Jesoa, “ny andro voalohany amin’ny herinandro” (Mk 16,2) [88] . Amin’ny maha- “andro voalohany” azy, ny andron’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona dia mampahatsiahy ny fahariana voalohany. …
→
-
2175
Ny alahady – fahatanterahan’ny sabata
Ny alahady dia miavaka mazava tsara amin’ny sabata izay dimbiasany amin’ny ara-potoana, isan-kerinandro, ary ho an’ny kristianina, dia fanoloana ny didy momba ny fankalazana lanonana. Izy no nanatanteraka, ao amin’ny Pakan’i Kristy, …
→
-
2176
Ny alahady – fahatanterahan’ny sabata
Ny fankalazana amin’ny andro alahady dia mitandrina ny didy ara-môraly nosoratan’ny Mpahary ao am-pon’ny olombelona “hanompo Azy amin’ny fomba miharihary, hita maso, ampahibemaso sy ara-potoana amin’ny famantarana ny soa ataony manenika an’izao …
→
-
2177
Ny Eokaristia amin’ny andro alahady
Ny fankalazana ny maha-andron’ny Tompo ny Alahady sy ny Eokaristiany no votoatin’ny fiainan’ny Fiangonana. “Ny alahady izay ankalazana ny misterin’ny Paka, araka ny lovam-pampianaran’ny apôstôly, dia tsy maintsy tandremana ao amin’ny Fiangonana …
→
-
2178
Ny Eokaristia amin’ny andro alahady
Izany fomban’ny kristianina miara-miangona izany dia nanomboka tamin’ ny fiandohan’ny vanin-potoanan’ny apôstôly [96] . Mampahatsiahy ny Taratasy ho an’ny Hebrio hoe : “Aza mandao ny fiarahantsika miangona toy ny fanaon’ny sasany tsy …
→
-
2179
Ny Eokaristia amin’ny andro alahady
“Ny paroasy no ankohonam-piangonana voafaritra mazava ho an’ny mpino, izay narafitra hijoro amin’ny fomba mafy orina amin’ny Fiangonana eo an-toerana, ka ny fiadidiana pastôraly dia nankinina amin’ny Pretra mpiandraikitra voalohany ny paroasy, …
→
-
2180
Ny adidy amin’ny andro alahady
Ny didin’ny Fiangonana dia mametra sy manoritra mazava ny Lalànan’ny Tompo : “Ny alahady sy ny andro fety hafa voadidy hohamasinina, dia voadidy handray anjara amin’ny Lamesa ny mpino” [101] . “Mahatanteraka …
→
-
2181
Ny adidy amin’ny andro alahady
Ny fankalazana ny Eokaristia amin’ny alahady no manorina sy mampanan-kery izay rehetra ataon’ny kristianina. Izany no mahatonga ny mpino ho voatery handray anjara amin’ny Eokaristia amin’ny andro voadidy hohamasinina, raha tsy fahafahana …
→
-
2182
Ny adidy amin’ny andro alahady
Ny fandraisana anjara amin’ny fankalazana iombonana amin’ny Eokaristian’ny andro alahady no porofo ny maha-an’i Kristy sy ny maha-an’ny Fiangonany ny tenan’ny mpino, ary koa ny tsy fivadihana amin’Izy ireo. Amin’izany ny mpino …
→
-
2183
Ny adidy amin’ny andro alahady
“Raha tsy azo tanterahina ny fandraisana anjara amin’ny fankalazana ny Eokaristia, noho ny tsy fisian’ny mpandraharaha voahosotra, na noho ny antony lehibe hafa rehetra, dia hafatrafarana mafy tokoa ny mpino handray anjara …
→
-
2184
Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa
Noho Andriamanitra “nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony, tamin’ny andro fahafito” (Jen 2,2), dia ny asa sy ny fialan-tsasatra no mifandimbindimby mandrindra ny fiainan’ny olombelona. Ny fanorenana ny Andron’ny Tompo no manampy mba …
→
-
2185
Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa
Ny mpino, mandritra ny alahady sy ny andro fety hafa voadidy hohamasinina, dia hifady ny filozohana amin’ny asa aman-draharaha na amin’ny fihetsiketsehana izay manampontsampona ny fanompoam-pivavahana tsy maintsy atao amin’Andriamanitra, ny hafaliana …
→