Ny adidy amin’ny andro alahady

Laharana 2181 amin’ny Katesizy

Ny fankalazana ny Eokaristia amin’ny alahady no manorina sy mampanan-kery izay rehetra ataon’ny kristianina. Izany no mahatonga ny mpino ho voatery handray anjara amin’ny Eokaristia amin’ny andro voadidy hohamasinina, raha tsy fahafahana amin’ny antony marina tokoa (ohatra : ny aretina, ny fikarakarana ny zaza menavava) na nahazo lalana avy amin’ny mpitondra azy ireo[103]. Ireo izay minia tsy hanatanteraka izany adidy izany dia manao fahotana lehibe.

Loharano ôfisialy ↗