Androm-pahasoavana sy fampiatoana ny asa

Laharana 2184 amin’ny Katesizy

Noho Andriamanitra “nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony, tamin’ny andro fahafito” (Jen 2,2), dia ny asa sy ny fialan-tsasatra no mifandimbindimby mandrindra ny fiainan’ny olombelona. Ny fanorenana ny Andron’ny Tompo no manampy mba hifalian’ny rehetra amin’ny fotoam-pialan-tsasatra sy amin’ny fotoam-pialam-boly ampy izay ahafahan’ izy ireo mikarakara ny fiainan’izy ireo ara-pianakaviana, ara-kolontsaina, ara-piaraha-monina ary ara-pivavahana[105].

Loharano ôfisialy ↗