Ny Eokaristia amin’ny andro alahady

Laharana 2177 amin’ny Katesizy

Ny fankalazana ny maha-andron’ny Tompo ny Alahady sy ny Eokaristiany no votoatin’ny fiainan’ny Fiangonana. “Ny alahady izay ankalazana ny misterin’ny Paka, araka ny lovam-pampianaran’ny apôstôly, dia tsy maintsy tandremana ao amin’ny Fiangonana manontolo ho andro voalohany indrindra amin’ny andro fety voadidy hohamasinina”[94].

“Toy izany, tsy maintsytandremana ny andro Nahaterahan’i Jesoa Kristy Tompontsika, ny Epifania, ny Fiakarana any an-danitra sy ny Vatana aman-dRa Masina Indrindra an’i Kristy, ny andron’i Masina Maria Renin’Andriamanitra, ny Nahatorontoronina tsy azon-keloka azy sy ny Nampiakarana azy any an-danitra, ny andron’i Md Josefa, ry Md Piera sy i Paoly apôstôly ary ny Olomasina rehetra”[95].

Loharano ôfisialy ↗