Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1081
I. Ny Ray, loharano ipoirana sy tanjona iafaran’ny litorzia
Ny tsodranon’Andriamanitra dia miharihary amin’ny zava-dehibe tsy fahita andavanandro mampitolagaga sy mahavonjy : ny nahaterahan’i Isaaka, ny fialana tao Ejipta (Paka sy Eksaody), ny fanomezana ny Tany nampanantenaina, ny fifidianana an’i Davida, …
→
-
1082
I. Ny Ray, loharano ipoirana sy tanjona iafaran’ny litorzia
Ao amin’ny litorzian’ny Fiangonana ny tsodranon’Andriamanitra no ambara sy ampitaina manontolo : ny Ray no ekena marina sy tsaohina ho Loharano ipoirana sy Tanjona iafaran’ny tsodrano rehetra amin’ny fahariana sy ny famonjena; …
→
-
1083
I. Ny Ray, loharano ipoirana sy tanjona iafaran’ny litorzia
Mazava àry izany ny lafin-kevitra roa amin’ny litorzia kristianina ho valim-pinoana sy fitiavana amin’ireo “tsodrano ara-panahy” izay anomezan’ny Ray ny soa ho antsika. Etsy an-daniny, ny Fiangonana, miray amin’ny Tompony sy “entanin’ny …
→
-
1084
I Kristy nomem-boninahitra …
“Amin’ny fipetrahan’i Kristy eo an-kavanan’ny Ray” sy amin’ny fandrotsahana ny Fanahy Masina ao amin’ny Vatany, izay ny Fiangonana izany, dia miasa Izy hatramin’izao amin’ny alalan’ireo sakramenta, noforonin’ny Tenany mba hampitana ny fahasoavany. …
→
-
1085
I Kristy nomem-boninahitra …
Ao amin’ny litorzian’ny Fiangonana, i Kristy no mampahafantatra sy manatanteraka voalohany indrindra ny misterin’ny Pakany. Nandritra ny fiainany teto an-tany, nambaran’i Jesoa tamin’ny alalan’ny fampianarany sy nataony mialoha tamin’ny alalan’ny asany ny …
→
-
1086
… nanomboka tamin’ny Fiangonan’ny apôstôly …
”Tahaka ny nanirahan’ny Ray an’i Kristy no nanirahan’ny Tenan’Izy Kristy koa ny apôstôliny, fenon’ny Fanahy Masina, tsy hoe mba hanambaràn’izy ireo fotsiny, amin’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny voary rehetra, fa ny Zanak’Andriamanitra, …
→
-
1087
… nanomboka tamin’ny Fiangonan’ny apôstôly …
Araka izany, i Kristy nitsangan-ko velona, tamin’ny nanomezany ny Fanahy Masina ny apôstôly, dia nanankina tamin’izy ireo ny fahefam-panamasinany [3] : manjary famantarana ara-tsakramentan’i Kristy izy ireo. Tamin’ny alalan’ny herin’io Fanahy Masina …
→
-
1088
… dia eo amin’ny litorzia eto an-tany …
“Ho fanatanterahana izany tsanganasa lehibe loatra izany” - ny fizarazarana na fampitana ny tsanganasam-pamonjen’i Kristy -, “dia eo amin’ny Fiangonany lalandava Izy, indrindra amin’ny asa litorzika. Eo Izy amin’ny Soron’ny Lamesa, sy …
→
-
1089
… dia eo amin’ny litorzia eto an-tany …
”Ho fanatanterahana io tsanganasa lehibe io izay ankalazana tanteraka an’Andriamanitra sy anamasinana ny olombelona, dia miara-miasa lalandava i Kristy sy ny Fiangonana Vady malalany, izay miantso Azy ho Tompony sy mampanolotra amin’ny …
→
-
1090
… izay mandray anjara amin’ny litorzia any an-danitra
“Amin’ny litorzia eto an-tany no andraisantsika anjara amin’ny santatry ny litorzia any an-danitra ankalazaina ao an-tanàna masin’i Jerosalema izay mankany aminy no izorantsika mpivahiny, izay any no ipetrahan’i Kristy eo an-kavanan’Andriamanitra, amin’ny …
→
-
1091
III. Ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana ao amin’ny litorzia
Ny Fanahy Masina, amin’ny litorzia, no mpanabe ny Vahoakan’ Andriamanitra amin’ny finoana, mpiasa tanan’ny “sangan’asan’ Andriamanitra”, dia ny sakramentan’ny Fanekem-pihavanana Vaovao izany. Ny faniriana sy ny tsanganasan’ny Fanahy eo anivon’ny Fiangonana, dia …
→
-
1092
III. Ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana ao amin’ny litorzia
Ny Fanahy Masina, amin’ity fizarazarana ara-tsakramenta ny misterin’i Kristy ity, dia miasa amin’ny fomba mitovy ao amin’ny fotoan-tsamihafa ny fitantanam-pamonjena : Izy no manomana ny Fiangonana hihaona amin’ny Tompony; Izy no mampahatsiahy …
→
-
1093
Ny Fanahy Masina no manomana ny handraisana an’i Kristy
Ny Fanahy Masina no manatanteraka ao amin’ny fitantanam-pamonjena ara-tsakramenta ny tandindona ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha . Noho ny Fiangonan’i Kristy “nomanina tamin’ny fomba mahagaga teo amin’ny tantaran’ny vahoaka Israely sy tao amin’ny …
→
-
1094
Ny Fanahy Masina no manomana ny handraisana an’i Kristy
Amin’izany firindran’ny Testamenta roa izany [8] no itohizan’ny katesezin’ ny Pakan’ny Tompo [9] , manaraka izany ny an’ny apôstôly sy ny Aban’ny Fiangonana. Izany katesezy izany dia mampiseho an’izay niafina tao amin’ …
→
-
1095
Ny Fanahy Masina no manomana ny handraisana an’i Kristy
Izany no mahatonga ny Fiangonana, singanina manokana ny amin’ny fotoanan’ny Fahatongavan’ny Tompo, ny Karemy ary indrindra amin’ny alin’ny Paka, mamaky indray sy miaina indray ireo zava-dehibe rehetra niseho teo amin’ny tantaram-pamonjena ao …
→
-
1096
Ny Fanahy Masina no manomana ny handraisana an’i Kristy
Litorzia Jody sy litorzia kristianina . Ny fahalalana tsara indrindra ny finoana sy ny fiainam-pivavahan’ny vahoaka jody, araka ny mbola iekena sy iainana azy ankehitriny, dia afaka manampy hahazoana tsaratsara kokoa ny …
→
-
1097
Ny Fanahy Masina no manomana ny handraisana an’i Kristy
Amin’ny litorzian’ny Fanekem-pihavanana Vaovao , ny asa litorzika rehetra, singanina manokana ny fankalazana ny Eokaristia sy ireo sakramenta, dia fihaonan’i Kristy sy ny Fiangonana. Ny fiaraha-miangona amin’ny litorzia dia mitana ny firaisany …
→
-
1098
Ny Fanahy Masina no manomana ny handraisana an’i Kristy
Tsy maintsy miomana hihaona amin’ny Tompony ny mpiangona, ho “vahoaka vonona tsara” (Lk 1,17). Izany fanomanana ny fo izany dia tsanganasa iombonan’ny Fanahy Masina sy ny mpiangona, singanina manokana ny mpandraharahany masina. …
→
-
1099
Ny Fanahy Masina no mampahatsiaro ny misterin’i Kristy
Ny Fanahy sy ny Fiangonana no mifarimbona hampiseho an’i Kristy sy ny tsanganasam-pamonjeny ao amin’ny litorzia. Amin’ny Eokaristia indrindra aloha, ary tahaka izany ny amin’ireo sakramenta hafa, ny litorzia dia Tsangambato fahatsiarovana …
→
-
1100
Ny Fanahy Masina no mampahatsiaro ny misterin’i Kristy
Ny Tenin’Andriamanitra . Ny Fanahy Masina no mampahatsiaro mialoha ny mpiangona amin’ny litorzia ny dikan’ny zava-niseho tamin’ny famonjena amin’ny fanomezana aina amin’ny Tenin’Andriamanitra izay torìna mba ho raisina sy hivelomana : Ny …
→