Ny Fanahy Masina no mampahatsiaro ny misterin’i Kristy

Laharana 1100 amin’ny Katesizy

Ny Tenin’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina no mampahatsiaro mialoha ny mpiangona amin’ny litorzia ny dikan’ny zava-niseho tamin’ny famonjena amin’ny fanomezana aina amin’ny Tenin’Andriamanitra izay torìna mba ho raisina sy hivelomana :

Ny Soratra Masina, ao anatin’ny fankalazana amin’ny litorzia, dia manan-danja aoka izany. Avy aminy no akana ireo lahatsoratra izay ho vakìna sy ho hazavaina amin’ny toriteny, tahaka izany ireo salamo izay ho hiraina ; avy amin’ny fitarihan-keviny sy ny fihetseham-po avy aminy, ny fitalahoana, ny vavaka am-po sy ny antsa litorzika no mipoitra, ary avy aminy koa ny asa sy ny fanehoana an’ohatra no mandray ny hevitra raketin’izy ireo [14].

Loharano ôfisialy ↗