Ny Fanahy Masina no manomana ny handraisana an’i Kristy

Laharana 1094 amin’ny Katesizy

Amin’izany firindran’ny Testamenta roa izany[8]no itohizan’ny katesezin’ ny Pakan’ny Tompo[9], manaraka izany ny an’ny apôstôly sy ny Aban’ny Fiangonana. Izany katesezy izany dia mampiseho an’izay niafina tao amin’ ny soratry ny Testamenta Taloha : ny misterin’i Kristy. Nantsoina hoe “ara-pisantaram-panehoana” (“typologique”) izany satria mampiseho ny zava-baovaon’i Kristy niainga avy amin’ireo “tandindona” (soritr’ endrika) izay nanambara izany tamin’ny zava-niseho, ny teny ary ny fanehoana an’ohatra tao amin’ny fanekem-pihavanana voalohany. Amin’ny alalan’ny famakiana izany indray ao amin’ny Fanahin’ny Fahamarinana manomboka amin’i Kristy, no voala sarona ny tandindona[10]. Araka izany, ny safo-drano sy ny Sambofiaran’i Nôe no nanambara mialoha ny famonjena amin’ny alalan’ny Batemy[11], torak’izany ny Andry rahona sy ny fiampitàna ny ranomasina Mena, ary ny rano avy ao amin’ny vatolampy no tandindon’ny fanomezana ara-panahy avy amin’i Kristy[12] ; ny mana tany an’efitra no nanambara mialoha ny Eokaristia, “ilay Mofo tena izy avy any an-danitra” (Jo 6,32).

Loharano ôfisialy ↗