Ny Fanahy Masina no mampahatsiaro ny misterin’i Kristy

Laharana 1099 amin’ny Katesizy

Ny Fanahy sy ny Fiangonana no mifarimbona hampiseho an’i Kristy sy ny tsanganasam-pamonjeny ao amin’ny litorzia. Amin’ny Eokaristia indrindra aloha, ary tahaka izany ny amin’ireo sakramenta hafa, ny litorzia dia Tsangambato fahatsiarovana ny misterim-pamonjena. Ny Fanahy Masina no fitadidiana velon’ny Fiangonana[13].

Loharano ôfisialy ↗