Fahasoavana
Laharana 14
- 1996 II. Ny fahasoavana Avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ny fanamarinana antsika. Ny fahasoavana no t ombon-tsoa sy vonjy maimaim-poana izay omen’ Andriamanitra antsika mba hamaliana ny antsony : manjary zanak’ Andriamanitra [48] , zanaka natsangana [49] , …
- 1997 II. Ny fahasoavana Ny fahasoavana dia fiombonana anjara amin’ny fiainan’ Andriamanitra , izy no mampiditra antsika ao anatin’ny fiainam-pifankatiavan’ny Trinite Masina : amin’ny Batemy no andraisan’ny kristianina anjara amin’ny fahasoavan’i Kristy, Lohan’ny Vatany. Amin’ny maha-“zanaka …
- 1998 II. Ny fahasoavana Ilay fiantsoana ho amin’ny fiainana mandrakizay dia mihoatra ny natoraly . Miankina manontolo amin’ny fanomezana maimaim-poana ataon’Andriamanitra mialoha izany, satria Izy irery no afaka manambara tena sy manolo-tena ny Tenany ihany. Mihoatra …
- 1999 II. Ny fahasoavana Ny fahasoavan’i Kristy no fanomezana maimaim-poana izay atolotr’ Andriamanitra antsika avy amin’ny fiainany, ary arotsaky ny Fanahy Masina ao amin’ny fanahintsika, mba hanasitrana azy amin’ny fahotana sy hanamasina azy : Izany no …
- 2000 II. Ny fahasoavana Ny fahasoavana mahamasina dia fanomezana maharitra, toe-panahy mahazatra tsy miovaova sy mihoatra ny natoraly mandavorary ny fanahy tokoa mba hahatonga azy ho afaka miaina miaraka amin’Andriamanitra, sy hanao asa amam-pitondran-tena amin’ny alalan’ny …
- 2001 II. Ny fahasoavana Ny fanomanana ny olona handray ny fahasoavana dia efa tsanganasan’ny fahasoavana. Ilaina izany mba handrisihana sy hanohanana ny fiarahantsika miasa amin’ny fanamarinana amin’ny alalan’ny finoana sy ny fiarahantsika miasa amin’ny fanamasinana amin’ny …
- 2002 II. Ny fahasoavana Ny fialohavan’Andriamanitra manao ny asa amin-kalalahana dia mitaky valiny amin-kalalahana avy amin’ny olombelona , satria tamin’ny naharian’ Andriamanitra ny olombelona hitovy endrika Aminy no nanomezany azy, miaraka amin’ny fahafahana, ny fahazoana mahalala …
- 2003 II. Ny fahasoavana Ny fahasoavana no voalohany sy ambonin’ny rehetra amin’ny fanomezan’ ny Fanahy izay manamarina antsika sy manamasina antsika. Kanefa ny fahasoavana koa no misy ny fanomezana izay omen’ny Fanahy ho antsika mba handraisantsika …
- 2004 II. Ny fahasoavana Amin’ireo fahasoavana manokana, dia tsara ny mampahalala fa anisany ireo fahasoavana mitahy izay manampy amin’ny fanaovana ny adidy aman’andraikitra amin’ny fiainana kristianina sy ny andraiki-panompoana eo anivon’ny Fiangonana : Samy manana ny …
- 2005 II. Ny fahasoavana Ny fahasoavana, noho izy mihoatra ny natoraly, dia tsy mety ho takatry ny fahalalantsika azo tamim-pahazarana , sy tsy mety ho fantatra raha tsy amin’ny finoana. Noho izany, tsy azontsika atao ny …
- 2021 IV. Ny fahamasinana kristianina Ny fahasoavana no vonjy izay omen’Andriamanitra antsika mba hamaliana ny fiantsoana antsika ho tonga zanaka atsangany. Izy no mampiditra antsika ao anatin’ny fiainam-pifankatiavan’ny Trinite Masina.
- 2022 IV. Ny fahamasinana kristianina Ny fialohavana ataon’Andriamanitra amin’ny tsanganasan’ny fahasoavana dia ny mampahita, ny manamboatra ary ny mamoaka ny valin-teny amin-kalalahana ataon’ny olombelona. Ny fahasoavana no mamaly ny faniriana lalina momba ny fahafahan’ny olombelona ; izy …
- 2023 IV. Ny fahamasinana kristianina Ny fahasoavana mahamasina dia fanomezana maimaim-poana izay atolotr’Andriamanitra antsika avy amin’ny fiainany, ary arotsaky ny Fanahy Masina ao amin’ny fanahintsika, mba hanasitrana azy amin’ny fahotana sy hanamasina azy.
- 2024 IV. Ny fahamasinana kristianina Ny fahasoavana mahamasina no mahatonga antsika “ho ankasitrahan’ Andriamanitra”. Nalahatra ho isan’ny fahasoavana mahamasina koa ireo fanomezam–pahasoavana, izay fahasoavana manokana avy amin’ny Fanahy Masina, fa ny zava-kendreny kosa dia ny soa iombonan’ny …