IV. Ny fahamasinana kristianina

Laharana 2024 amin’ny Katesizy

Ny fahasoavana mahamasina no mahatonga antsika “ho ankasitrahan’ Andriamanitra”. Nalahatra ho isan’ny fahasoavana mahamasina koa ireo  fanomezam–pahasoavana, izay fahasoavana manokana avy amin’ny Fanahy Masina, fa ny zava-kendreny kosa dia ny soa iombonan’ny Fiangonana. Miasa amin’ny alalan’ny fahasoavana mitahy maro samihafa koa Andriamanitra, izay avahana amin’ny fahasoavana mampaharitra amin’ny hatsaran-toetra, miasa lalandava ao amintsika.

Loharano ôfisialy ↗