Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
461
II. Ny Fahatongavana ho nofo
Nandray ny fitenin’i Md Joany (hoe : “Tonga nofo ny Teny” : Jo 1,14) ny Fiangonana, ka miantso hoe “Fahatongavana ho nofo” tamin’ny nizakan’ny Zanak’Andriamanitra tao Aminy ny fomba aman-toetran’olombelona, mba hanatanterahana …
→
-
462
II. Ny Fahatongavana ho nofo
Miteny izany mistery izany koa ny Taratasy ho an’ny Hebrio : Noho izany indrindra, nony niditra teto amin’izao tontolo izao i Kristy, dia nilaza hoe : Tsy nilainao ny sorona na ny …
→
-
463
II. Ny Fahatongavana ho nofo
Ny finoana ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo marina tokoa no famantarana mampiavaka ny finoana kristianina : “Izao no ahafantarana ny fanahy avy amin’Andriamanitra : Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga …
→
-
464
III. Tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa
Ny fisehoan-javatra tokana aman-tany sy miavaka tanteraka amin’ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo dia tsy midika fa i Jesoa-Kristy dia nisy ampahany Andriamanitra sy ampahany olombelona, na vokatry ny fifangaroana mifanjevon’ny maha-Andriamanitra sy …
→
-
465
III. Tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa
Tsy dia ny maha-Andriamanitra an’i Kristy loatra no tena nolavin’ireo fampianaran-diso voalohany, fa ny maha-olombelona Azy tokoa (docétisme gnostique). Nanomboka tamin’ny andron’ny apôstôly ny finoana kristianina no nanantitrantitra ny tena Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra …
→
-
466
III. Tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa
Ny fampianaran-dison’i Nestorius dia nilaza fa olombelona iray no nikambana amin’ny maha-Olona-Andriamanitra ny Zanak’Andriamanitra ao amin’i Kristy. Teo anatrehan’izany, nanambara ampahibemaso i Md Cyrille d’Alexandrie sy ny Kônsily ekiomenika fahatelo novorìna tao …
→
-
467
III. Tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa
Ny "monophysites" dia nanamarina fa levona tamin’ny nizakany tao amin’ ny maha-Olona-Andriamanitra amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy, ny fomba aman-toetra maha-olombelona tao amin’i Kristy. Izao no nambaran’ny Kônsily ekiomenika fahefatra tao Chalcédoine tamin’ny taona …
→
-
468
III. Tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa
Taorian’ny Kônsilin’i Chalcédoine, ny olona sasantsasany dia nihevitra ny fomba aman-toetra maha-olombelona an’i Kristy ho karazana foto-javatra momba ny olona manokana fotsiny. Ny Kônsily ekiomenika fahadimy tao Constantinople, tamin’ny taona 553, no …
→
-
469
III. Tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa
Miaiky tahaka izany koa ny Fiangonana fa i Jesoa dia tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa tsy azo sarahina. Izy marina tokoa no ilay Zanak’Andriamanitra izay tonga olombelona, ka rahalahintsika, ary …
→
-
470
IV. Ahoana no maha-olombelona ny Zanak’Andriamanitra ?
Satria ao amin’ny firaisana misterin’ny Fahatongavana ho nofo, “ny fomba aman-toetra maha-olombelona dia nozakaina, fa tsy nolevonina” [97] , ka nahatarika ny Fiangonana, nandritra ny taonjato nifandimby, hanambara ampahibemaso ny fisiana feno …
→
-
471
Ny fanahy sy ny fahalalana maha-olombelona tao amin’i Kristy
Nohamafisin’i Apollinaire de Laodicée fa ny Teny no nisolo ny fanahy na ny saina tao amin’i Kristy. Ho fanoherana io hevi-diso io, dia nanambara ampahibemaso ny Fiangonana fa ny Zanaka mandrakizay dia …
→
-
472
Ny fanahy sy ny fahalalana maha-olombelona tao amin’i Kristy
Manana ny tena fahalalana maha-olombelona tokoa, io fanahy maha-olombelona izay nozakain’ny Zanak’Andriamanitra tao Aminy io. Amin’ izany maha-izy azy izany, dia voafetra ihany araka ny toetra maha-olombelona, io fahalalana maha-olombelona io : …
→
-
473
Ny fanahy sy ny fahalalana maha-olombelona tao amin’i Kristy
Io fahalalana maha-olombelona tokoa ny Zanak’Andriamanitra io koa anefa, dia naneho ny fiainana maha-Andriamanitra ny Tenany [102] . “Ny fomba aman-toetra maha-olombelona ny Zanak’Andriamanitra, tsy noho ilay fomba aman-toetra, fa noho ilay …
→
-
474
Ny fanahy sy ny fahalalana maha-olombelona tao amin’i Kristy
Avy amin’ny firaisan’ny fahalalana maha-olombelona ananan’i Kristy amin’ny Fahendren’Andriamanitra ao amin’ny Tenan’ny Teny tonga nofo, no nananany tanteraka tao Aminy ny fahalalana amam-pahaizana ny fandaharan’ Andriamanitra mandrakizay, izay ny hanambara izany no …
→
-
475
Ny sitrapo maha-olombelona an’i Kristy
Toy izany koa, nanambara ampahibemaso ny Fiangonana, tao amin’ny Kônsily ekiomenika fahenina, fa manana sitrapo anankiroa sy fiasa anankiroa araka fombany avy i Kristy, dia ny an’ny maha-Andriamanitra sy ny an’ny maha-olombelona, …
→
-
476
Vatan’olombelona tokoa, ny vatan’i Kristy
Satria tena nofon’olombelona tokoa no tao amin’ny Teny tonga nofo, ka voafetra ihany ny vatan’i Kristy [111] . Noho izany antony izany, azo atao ny manoritra ny endrika maha-olombelona an’i Jesoa [112] …
→
-
477
Vatan’olombelona tokoa, ny vatan’i Kristy
Nanaiky lalandava ny Fiangonana, tamin’izany fotoana izany, fa manjary hitan’ny masontsika ao amin’ny Vatan’i Jesoa, “ilay Andriamanitra izay tsy hita maso araka ny fomba aman-toetrany” [114] . Satria, maneho ny maha-Olona-Andriamanitra ny …
→
-
478
Ny Fon’ny Teny tonga nofo
Nahalala sy nitia antsika rehetra sy ny isam-batan’olona i Jesoa nandritra ny fiainany sy ny fiadiany aina ary ny fijaliany, sy nanolo-tena ho antsika tsirairay : “Tia ahy ny Zanak’Andriamanitra ary nanolo-tena …
→
-
479
Ny Fon’ny Teny tonga nofo
Tamin’ny fotoana voalahatr’Andriamanitra, ny Zanaka Lahitokan’ny Ray, ny Teny mandrakizay, izany hoe ny Teny sy ny Endrika maneho ara-pisia-maha-Izy ny Ray, dia tonga Nofo : tsy nahavery ny fomba aman-toetra maha-Andriamanitra Azy …
→
-
480
Ny Fon’ny Teny tonga nofo
Tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa i Jesoa-Kristy, ao amin’ny firaisan’ny maha-Olona-Andriamanitra Azy : noho izany, Izy no hany Mpanelanelana eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona.
→