Ny fanahy sy ny fahalalana maha-olombelona tao amin’i Kristy
Laharana 474 amin’ny Katesizy
Avy amin’ny firaisan’ny fahalalana maha-olombelona ananan’i Kristy amin’ny Fahendren’Andriamanitra ao amin’ny Tenan’ny Teny tonga nofo, no nananany tanteraka tao Aminy ny fahalalana amam-pahaizana ny fandaharan’ Andriamanitra mandrakizay, izay ny hanambara izany no nahatongavany[106]. Izay nekeny fa tsy fantany tamin’izany[107], dia nolazainy fa tsy anjarany ny hanambara izany amin’ny iraka nampanaovina Azy[108].