Vatan’olombelona tokoa, ny vatan’i Kristy
Laharana 476 amin’ny Katesizy
Satria tena nofon’olombelona tokoa no tao amin’ny Teny tonga nofo, ka voafetra ihany ny vatan’i Kristy[111]. Noho izany antony izany, azo atao ny manoritra ny endrika maha-olombelona an’i Jesoa[112]. Tamin’ny Kônsily ekiomenika fahafito[113] ny Fiangonana no nanaiky fa ara-dalàna raha aseho amin’ny sary masina izany endrika maha-olombelona an’i Jesoa izany.