Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2791 III. Rai“ nay ” Noho izany, na misy aza ny fisaraham-bazana eo amin’ny kristianina, dia mijanona ho fananana iombonana sy antso maika ho an’ny vita batemy rehetra ny vavaka Rai“ nay ”. Noho ny fiombonam-pinoana an’i …
  2. 2792 III. Rai“ nay ” Farany, raha tena manao tokoa ny vavaka “Rai nay ” isika, dia ho afaka amin’ny toe-tsain’ny samy maka ho azy, satria ny fitiavana izay raisintsika no manafaka antsika amin’izany. Ny hoe “ …
  3. 2793 III. Rai“ nay ” Tsy afaka hanao ny vavaka Rai“ nay ” ireo vita batemy raha tsy mitondra eo Aminy an’ireo rehetra nanomezany ny Zanany malalany ho azy ireo. Tsy misy fefy ny fitiavan’Andriamanitra, ka tokony …
  4. 2794 IV. “Izay any an-danitra” Io fiteny ara-baiboly io dia tsy midika toerana (“elanelan-toerana”), fa toe-pisiana ; tsy ny fahalaviran’Andriamanitra fa ny fahamboniana amam-piandrianany. “Tsy ivelan’ny toerana” ny Raintsika, fa “ambonin’izay rehetra” azontsika saintsainina ny amin’ny Fahamasinany. …
  5. 2795 IV. “Izay any an-danitra” Ny fanehoana an’ohatra ny lanitra dia mamerina antsika amin’ny misterin’ny fanekem-pihavanana izay iainantsika rahefa mivavaka amin’ny Raintsika isika. Any an-danitra Izy, izay Fonenany, koa ny Tranon-dRay izany no “tanindrazantsika”. Avy ao amin’ny …
  6. 2796 IV. “Izay any an-danitra” Rahefa manao ny vavaka “Rainay any an-danitra” ny Fiangonana, dia miaiky izy fa isika no Vahoakan’Andriamanitra efa mipetraka any an-danitra ao amin’i Kristy Jesoa [50] , miafina miaraka amin’i Kristy ao amin’ …
  7. 2797 IV. “Izay any an-danitra” Ny fitokiana tsotra sy tsy mivadika, ny fahasahiana amim-panetren-tena sy amin-kafaliana, no toe-panahy mety ho an’izay manao ny vavaka Rainay.
  8. 2798 IV. “Izay any an-danitra” Afaka miantso an’Andriamanitra ho “Ray” isika, satria ny Zanak’ Andriamanitra tonga olombelona no nanambara Azy tamintsika, izay ao Aminy, amin’ny alalan’ny Batemy, no nanakambanana sy nananganana antsika ho zanak’Andriamanitra.
  9. 2799 IV. “Izay any an-danitra” Mampiombona antsika amin’ny Ray sy amin’i Jesoa-Kristy Zanany, ny vavaky ny Tompo. Mampiseho amin’ny tenantsika ny maha-isika antsika koa ny vavaky ny Tompo [54] .
  10. 2800 IV. “Izay any an-danitra” Ny manao ny vavaka Rainay dia tokony hampitombo ao amintsika ny finiavana hanahaka Azy, ary koa ny fo manetry tena sy matoky.
  11. 2801 IV. “Izay any an-danitra” Amin’ny fiantsoana hoe “Rainay” no italahoantsika ny Fanekem-pihavanana Vaovao ao amin’i Jesoa-Kristy, ny fiombonana amin’ny Trinite Masina ary ny fitiavan’Andriamanitra izay manerana ny lafy valon’ny tany, amin’ny alalan’ny Fiangonana.
  12. 2802 IV. “Izay any an-danitra” Ny hoe “ izay any an-danitra ” dia tsy manondro toerana velively tsy akory, fa ilazana ny fahamboniana amam-piandrianan’Andriamanitra sy ny maha-ao am-pon’ny olo-marina Azy. Ny lanitra, ny Tranon’ny Ray, no tena …
  13. 2803 Ny Fangatahana fito Rahefa avy nametraka antsika teo anatrehan’Andriamanitra Raintsika mba hitsaoka Azy, ho tia Azy ary hisaotra Azy ny Fanahy maha-zanaka, dia mampisondrotra avy ao am-pontsika ireo fangatahana fito, fisaorana fito. Ny telo voalohany, …
  14. 2804 Ny Fangatahana fito Mitondra antsika mankany amin’ny Ray sy ho Azy ny fitambaran’ny fangatahana voalohany : ny Anaran ao , ny Fanjakan ao , ny Sitrapon ao ! Izany no toetra manokana ny fitiavana izay …
  15. 2805 Ny Fangatahana fito Ny fitambaran’ny fangatahana faharoa dia manaraka ny fizotran’ny vavaka epikilezy sasantsasany amin’ny Eokaristia : izy no fanatitry ny fanantenantsika sy manintona ny mason’ny Rain’ny famindram-po. Misondrotra avy ao amintsika izy sady mahakasika …
  16. 2806 Ny Fangatahana fito Amin’ny fangatahana telo voalohany no amafisina amin’ny finoana isika, feno fanantenana, mirehi-pitiavana. Amin’ny maha-zavaboary sy mbola maha-mpanota antsika, tsy maintsy mangataka ho antsika isika, io “isika” arakaraka ny tontolo sy ny tantara …
  17. 2807 I. “Hohamasinina anie ny Anaranao” Ny teny hoe “manamasina” dia ilaina ho fantatra eto, voalohany indrindra tsy amin’ny heviny hiharana (Andriamanitra irery no manamasina, mahamasina) fa indrindra amin’ny heviny fanomezan-danja : manaiky fa masina, mandray amin’ny fomba …
  18. 2808 I. “Hohamasinina anie ny Anaranao” Tamin’ny fotoana raikitra amin’ny fitantanam-pamonjeny Andriamanitra no nanambara ny Anarany, nefa niaraka tamin’ny fanatanterahany ny tsanganasany no nanambaràny izany. Ary tsy ho tontosa ho antsika sy ao anatintsika io tsanganasa io, raha …
  19. 2809 I. “Hohamasinina anie ny Anaranao” Ny Fahamasinan’Andriamanitra no foibe saro-takarin’ny saina amin’ny misteriny mandrakizay. Izay nampiharihariana izany tamin’ny fahariana sy ny tantara, no antsoin’ny Soratra Masina hoe : Voninahitra , famirapiratan’ny Fiandrianany [58] . Tamin’ny nanaovany ny …
  20. 2810 I. “Hohamasinina anie ny Anaranao” Tamin’ny fampanantenana natao tamin’i Abrahama, sy ny fianianana izay nampiarahina tamin’izany [61] , ny Tenan’Izy Andriamanitra mihitsy no nirotsaka an-tsehatra, saingy tsy nambarany ny anarany. Tamin’i Môizy Izy no nanomboka nanambara ny …