IV. “Izay any an-danitra”
Laharana 2795 amin’ny Katesizy
Ny fanehoana an’ohatra ny lanitra dia mamerina antsika amin’ny misterin’ny fanekem-pihavanana izay iainantsika rahefa mivavaka amin’ny Raintsika isika. Any an-danitra Izy, izay Fonenany, koa ny Tranon-dRay izany no “tanindrazantsika”. Avy ao amin’ny tanin’ny fanekem-pihavanana no nandroahan’ny fahotana antsika[46], ary mankany amin’ny Ray, mankany an-danitra no ampodian’ny fibebahan’ny fo antsika[47]. Nefa ao amin’i Kristy no ihavanan’ny lanitra sy ny tany[48], satria ny Zanaka “no nidina avy any an-danitra”, Izy irery ihany, ary Izy no hampiakatra antsika any miaraka Aminy, amin’ny alalan’ny Hazofijaliany, ny Fitsanganany ho velona ary ny Fiakarany any an-danitra[49].