Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2291 Ny fanajana ny fahasalamana Ny fampiasana zava-mahadomelina dia manafay amin’ny fanimbana lehibe dia lehibe ny fahasalamana sy ny fiainan’ny olombelona. Ivelan’ny toromarika hentitra momba ny fitsaboana, dia fahadisoana lehibe izany. Ny famokarana an-tsokosoko sy ny varo-maizina …
  2. 2292 Ny fanajana ny olona sy ny fikarohana ara-tsiansa Ny fanandramana ara-tsiansa, ara-pitsaboana na ara-pisikôlôzia, eo amin’ ny olona na vondron’olona, dia mety hanampy amin’ny fanasitranana ny marary sy amin’ny fandrosoan’ny fahasalamam-bahoaka.
  3. 2293 Ny fanajana ny olona sy ny fikarohana ara-tsiansa Ny fikarohana ara-tsiansa fototra, tahaka ny fikarohana ampiharina avy hatrany koa, dia samy anisan’ny fanehoana mampibaribary ny maha-mpanjakan’ny zavaboary ny olombelona. Harena sarobidy ny siansa sy ny teknika rahefa ampiasaina hanampiana ny …
  4. 2294 Ny fanajana ny olona sy ny fikarohana ara-tsiansa Fijery mamitaka ny mitaky ny tsy ampidirana môraly amin’ny fikarohana ara-tsiansa sy ny fampiharana azy. Ankoatra izany, ny fepetra arahina amin’ny fanorenana izany dia tsy tokony hosintonina avy amin’ny fahombiazana tsotra ara-teknika …
  5. 2295 Ny fanajana ny olona sy ny fikarohana ara-tsiansa Ny fikarohana na ny fanandramana atao amin’ny olombelona dia tsy afaka manamarina ny asa amin’ny maha-asa azy ihany, raha mifanohitra amin’ny hasina maha-olona sy amin’ny lalàna môraly. Tsy manamarina ny asa toy …
  6. 2296 Ny fanajana ny olona sy ny fikarohana ara-tsiansa Mifanaraka amin’ny finoana ara-môraly ny fanaovana grefy taova raha mifandanja amin’ny soa irin’ilay mpandray, ny loza sy ny fanaovana vy very ara-batana sy ara-tsaina setrain’ilay mpanome. Asa ambony sy mendrika hoderaina ny …
  7. 2297 Ny fanajana ny maha-izy manontolo ny vatana Ireo fakana an-keriny sy ireo fanaovana sambo-belona atao antoka na takalon’aina dia mampanjaka ny asa fampihorohoroana, ary noho ny fandrahonana, dia mahatonga fanerena tsy tanty eo amin’ireo ianjadiam-boina. Tsy ekena ara-pitsipi-pitondran-tena ho …
  8. 2298 Ny fanajana ny maha-izy manontolo ny vatana Tamin’ny andro taloha, dia mazàna nampiasa fomba amam-pihetsika tsy mifaditrovana ny fitondram-panjakana ara-dalàna mba hitandroana ny lalàna sy ny filaminana, matetika tsy nisy fanoheran’ireo mpitondra Fiangonana, izay izy ireo koa aza no …
  9. 2299 Ny fanajana ny maty Tandremana sy karakaraina ireo olona madiva ho faty mba hanampy azy ireo hiaina ny fotoana farany ahaveloman’izy ireo amin’ny fahamendrehana sy fiadanana. Ny vavak’ireo havana aman-tsakaizany no hanampy azy ireo. Hezahin’izy ireo …
  10. 2300 Ny fanajana ny maty Tokony hokarakaraina amim-panajana sy amim-pitiavana ao anaty finoana sy fanantenana ny fitsanganan-ko velona ny nofo mangatsiaka an’ireo nodimandry. Tsanganasa fiantrana momba ny vatana ny fandevenana ny maty [64] ; manaja sy manome …
  11. 2301 Ny fanajana ny maty Mety ho azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena ny fandidiam-paty noho ny antony famotopotorana araka ny lalàna, hizahana ny antony nahafatesany, na noho ny antony fikarohana ara-tsiansa. Ara-dalàna ary mety ho mendri-piderana ny fanomezana maimaim-poana …
  12. 2302 Ny fandriampahalemana Amin’ny fampahatsiarovana ny didy hoe : “Tsy hamono olona ianao” (Mt 5,21), dia mila ny fiadanan’ny fo ny Tompontsika ary miampanga ny faharatsian’ny fahatezerana mahafaty sy ny fankahalana : Faniriana hamaly faty …
  13. 2303 Ny fandriampahalemana Manohitra ny fitiava-namana ny fankahalana an-tsitrapo. Fahotana ny fankahalana ny namana, rahefa minia mikasa hanisy ratsy azy. Fahotana lehibe ny fankahalana ny namana, rahefa minia maniry azy hiharam-pahavoazana lehibe. “Fa Izaho kosa …
  14. 2304 Ny fandriampahalemana Mila fandriampahalemana ny fanajana sy ny fandrosoan’ny fiainan’ny olombelona. Ny fandriampahalemana dia tsy midika hoe tsy fisian’ny ady fotsiny, ary tsy voafetra amin’ny hoe fiorenan’ny fifandanjan-kerin’ny mpifanohitra. Tsy hanjaka ny fandriampahalemana eto …
  15. 2305 Ny fandriampahalemana Endrika sy vokatra ny fiadanan’i Kristy , ilay Mesia “Andrian’ny fiadanana” (Iz 9,5) ny fandriampahalemana eto ambonin’ny tany. Tamin’ ny alalan’ny ra nalatsany teo amin’ny Hazofijaliany no nandevonany ny fifandrafesana tao amin’ny …
  16. 2306 Ny fandriampahalemana Ireo izay mandà ny asa mahery setra, mandatsa-dra, fa mampiasa ny fitaovam-piarovana takatry ny osa kokoa, ho fiarovana ny zon’olombelona, no mijoro vavolombelon’ny fitiavana araka ny Evanjely, raha toa ka tsy manimba …
  17. 2307 Misoroka ny ady Mandrara ny famotehana an-tsitrapo ny fiainan’olombelona ny didy fahadimy. Noho ireo fahavoazana amam-pahoriana sy tsy rariny ateraky ny ady rehetra, dia mamporisika mafy ny tsirairay hivavaka sy hiasa ny Fiangonana, mba hanafahan’ny …
  18. 2308 Misoroka ny ady Tsy maintsy manao izay hisorohana ny ady ny olom-pirenena tsirairay sy ny mpitondra. Rahefa ela ny ela, na dia izany aza, “ka haharitra ny loza ateraky ny ady, nefa tsy misy ny …
  19. 2309 Misoroka ny ady Tsy maintsy dinihana mazava tsara ny fepetra mafy amin’ny fiarovan-tena eken’ny lalàna amin’ny alalan’ny hery ara-tafika . Ny halehiben’ny fanapahan-kevitra toy izany dia mampanaiky izany amin’ny fepetra henjana amin’ny fahamarinana ara-môraly. Tsy …
  20. 2310 Misoroka ny ady Manana zo sy adidy ny fanjakana amin’io toe-javatra io, hanery ny olom-pirenena amin’ny adidy aman’andraikitra ilaina amin’ny fiarovam-pirenena . Ireo izay manolo-tena hanompo ny tanindrazana ao amin’ny fiaina-miaramila, dia mpanompon’ny filaminana sy …