Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1691
Ny fiainana ao amin’i Kristy
“Ry kristianina, fantaro ny fahamendrehanao. Satria mandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra ianao ankehitriny, ka aza miverina mikororosy fahana indray amin’ny fiainanao taloha. Tsarovinao hoe : amin’ny Filoha iza no misy anao ary …
→
-
1692
Ny fiainana ao amin’i Kristy
Ny Sembolin’ny finoana dia manambara ampahibemaso ny halehiben’ny fanomezan’Andriamanitra ho an’ny olombelona eo amin’ny tsanganasa fahariany, fa indrindra koa amin’ny fanavotana sy ny fanamasinana. Izay ambaran’ny finoana, dia ampitain’ny sakramenta : amin’ny …
→
-
1693
Ny fiainana ao amin’i Kristy
Nanao izay nahafaly lalandava ny Ray i Kristy Jesoa [2] . Niaina lalandava tamin’ny fiombonana lavorary niaraka Taminy Izy. Toy izany koa, asaina hiaina eo ambany mason’ny Ray “izay mahita ao amin’ny …
→
-
1694
Ny fiainana ao amin’i Kristy
Noho ireo kristianina voakambana amin’i Kristy tamin’ny Batemy [3] , dia “maty amin’ny fahotana fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa” (Rôm 6,11) izy ireo, ka mandray anjara araka izany …
→
-
1695
Ny fiainana ao amin’i Kristy
“Nohamarinina tamin’ny anaran’i Jesoa-Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’ny Andriamanitsika” (1 Kôr 6,11), sy nohamasinina ary nantsoina ho masina [8] ny kristianina rehetra ka manjary “Tempolin’ny Fanahy Masina ” (1 Kôr 6,19). Io …
→
-
1696
Ny fiainana ao amin’i Kristy
“ Ny lalan’i Kristy no mahatonga any amin’ny fiainana” (Mt 7,14)) ; ny lalana mifanohitra amin’izany kosa, “mahatonga any amin’ny fahaverezana” (Mt 7,13) [13] . Hita lalandava ao amin’ny katesezin’ny Fiangonana ny …
→
-
1697
Ny fiainana ao amin’i Kristy
Amin’ny katesezy , zava-dehibe ny mampiseho mazava tsara ny hafaliana sy ny adidy takìna amin’ny fanarahan-dia an’i Kristy [15] . Ho toy izao ao Aminy ny katesezin’ny “fiainam-baovao” (Rôm 6,4) : - …
→
-
1698
Ny fiainana ao amin’i Kristy
Ny Tenan’i Jesoa-Kristy lalandava, izay “lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jo 14,6), no ho fanovozam-pahalalana voalohany sy farany amin’ity katesezy ity. Ny fibanjinana amim-pinoana an’i Kristy no ahafahan’ireo mpinony manantena fa ny …
→
-
1699
Ny fiantsoana ny olombelona : ny fiainana ao amin’ny fanahy
Ny fiainana ao amin’ny Fanahy Masina no manatanteraka ny fiantsoana ny olombelona ( toko voalohany ). Fiainana natao ho amin’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny firaisan-kinan’ny olombelona ( toko faharoa ). Fiainana nomena …
→
-
1700
Ny fahamendrehan’ny olombelona
Ny nahariana ny olombelona hitovy endrika sy hifanahaka amin’ Andriamanitra no fototry ny fahamendrehany ( andalana 1 ) ; tanteraka izany amin’ny fiantsoana azy ho amin’ny hasambaran’Andriamanitra ( andalana 2 ). Anjarany …
→
-
1701
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
“I Kristy, amin’ny fanambaràna ny misterin’ny Ray sy ny Fitiavany, dia mampiseho miharihary ny olombelona amin’ny tenan’ny olombelona ihany sy mampahafantatra mazava aminy ny fahambonian’ny fiantsoana azy” [18] . Ao amin’i Kristy, …
→
-
1702
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
Hita ao amin’ny olona tsirairay ny endrik’Andriamanitra. Mamirapiratra ao amin’ny fiombonan’ny olona izany, amin’ny fifanahafana amin’ny firaisan’ireo Olona-Andriamanitra amin’izy samy izy (jer. toko faharoa).
→
-
1703
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
Ny olombelona, noho izy nomena fanahy “maha-olona sy tsy mety maty” [21] , no “hany voary eto ambonin’ny tany izay sitrak’Andriamanitra ho olombelona mihitsy” [22] . Vao notorontoronina izy, dia natokana ho …
→
-
1704
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
Mandray anjara amin’ny fahazavana sy amin’ny herin’ny Fanahin’ Andriamanitra ny olombelona. Amin’ny alalan’ny saina, afaka mahatakatra ny filaminan’ny zavatra naorìn’ny Mpahary izy. Amin’ny alalan’ny sitrapony, afaka mitondra ny tenany ihany mankamin’ny tena …
→
-
1705
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
Ny olombelona, noho ny herin’ny fanahiny sy ny herin’ny sainy mahiratra ary ny herin’ny sitrapony, dia nomena fahafahana, izay “famantarana manokana ny maha-endrik’Andriamanitra azy” [24] .
→
-
1706
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
Ny olombelona, amin’ny alalan’ny sainy, dia mahalala ny feon’ Andriamanitra izay manery azy “hanao ny tsara sy handositra ny ratsy” [25] . Voatery ny tsirairay hanaraka io lalàna io izay manako ao …
→
-
1707
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
“Ny olombelona, noho izy voasodokan’ilay Ratsy, hatrany am-piandohan’ny tantara, dia nanararaotra ny fahafahany” [26] . Resin’ny fakam-panahy izy ka nanao ratsy. Voatahiriny ny faniriana ny tsara, nefa ny fomba aman-toetrany dia mitondra …
→
-
1708
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
Tamin’ny alalan’ny fijaliany i Kristy no nanafaka antsika tamin’i Satàna sy ny fahotana. Nanao antsika ho mendrika ahazo ny fiainam-baovao ao amin’ny Fanahy Masina Izy. Ny fahasoavany no manavao an’izay nosimbain’ny fahotana …
→
-
1709
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
Ilay izay mino an’i Kristy dia tonga zanak’Andriamanitra. Io fananganan-janaka io no manova azy amin’ny fanarahany ny oha-piainan’i Kristy. Io no mahatonga azy ho afaka miasa amim-pahamarinana sy hanatanteraka ny tsara. Amin’ny …
→
-
1710
Ny olombelona endrik’Andriamanitra
“ Amin’ny tenan’ny olombelona ihany no ampisehoan’i Kristy miharihary ny olombelona, sy ampahafantarany mazava ny fahambonian’ny fiantsoana azy ” [28] .
→