Ny fiainana ao amin’i Kristy

Laharana 1695 amin’ny Katesizy

“Nohamarinina tamin’ny anaran’i Jesoa-Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’ny Andriamanitsika” (1 Kôr 6,11), sy nohamasinina ary nantsoina ho masina[8] ny kristianina rehetra ka manjary “Tempolin’ny Fanahy Masina” (1 Kôr 6,19). Io “Fanahin’ny Zanaka” io no mampianatra azy ireo hivavaka amin’ny Ray[9], ka mampanjary izany ho fiainan’izy ireo, ary mampiasa azy ireo[10] mba “hitondra ny vokatry ny Fanahy”[11] amin’ny alalan’ny fitiavana aseho an’asa. Ny Fanahy Masina, amin’ny fanasitranana ny ratra noho ny fahotana, no manavao antsika ao anaty amin’ny alalan’ny fanovàna ara-panahy[12], manazava antsika ary mampahery antsika mba hiaina ny maha-“zanaky ny fahazavana” (Efez 5,8) amin’ny alalan’ny “hatsaram-panahy, ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahamarinana” amin’ny zavatra rehetra (Efez 5,9).

Loharano ôfisialy ↗