Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1366
Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany
Noho izany, sorona ny Eokaristia, satria izy no mampiseho (maha-misy eo) ny soron’ny Hazofijaliana, satria izy no tsangambato fahatsiarovana an’izany, satria izy no mampihatra ny vokatra avy amin’izany : [I Kristy] Andriamanitsika …
→
-
1367
Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany
Sorona tokana ihany ny soron’i Kristy sy ny soron’ny Eokaristia : “Tokana sady mitovy ihany Ilay atao sorona, iray ihany Ilay manolotra sorona ankehitriny amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny Pretra, Ilay nano-lotra ny Tenany …
→
-
1368
Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany
Soron’ny Fiangonana koa ny Eokaristia . Ny Fiangonana, izay Vatan’i Kristy, dia mandray anjara amin’ny fanatitry ny Filohany. Miaraka Aminy, ny tenany mihitsy no atolony manontolo. Miray amin’ny fanalalana ataon’i Kristy eo …
→
-
1369
Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany
Ny Fiangonana manontolo dia miray amin’ny fanatitra sy amin’ny fanalalan’i Kristy . Noho ny Papa miantsoroka ny andraiki-panompoan’i Piera ao amin’ny Fiangonana, dia akambana amin’ny fankalazana manontolo ny Eokaristia izy, izay amin’izany …
→
-
1370
Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany
Amin’ny fanatitr’i Kristy, tsy ny rantsambatana mbola ety an-tany ihany no mikambana ao, fa koa ireo izay efa any amin’ny voninahitry ny lanitra : amin’ny fiombonana amin’i Maria Virjiny Masina Indrindra sy …
→
-
1371
Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany
Ny sorona Eokaristika dia atolotra koa ho an’ny mpino efa nodimandry “izay maty tao amin’i Kristy ary tsy mbola voadio manontolo” [52] , mba hahazoan’izy ireo miditra any amin’ny fahazavana sy ny …
→
-
1372
Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany
Tamim-pomba mampitolagaga no namintinan’i Md Augustin ity fitambaram-pampianarana ity izay mandrisika antsika amin’ny fandraisana anjara feno mitombo hatrany hatrany amin’ny soron’ny Mpanavotra antsika izay ankalazaintsika amin’ny Eokaristia : Ity tanàna navotana manontolo …
→
-
1373
Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina
“I Kristy Jesoa izay maty, nitsangan-ko velona, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra, manalalana ho antsika” (Rôm 8,34), dia eo amin’ny Fiangonany amin’ny fomba maro [56] : ao amin’ny Teniny, ao amin’ny vavaky ny Fiangonany, …
→
-
1374
Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina
Tokana aman-tany ny fomba fisiana maha-eo an’i Kristy, amin’ny endriky ny mofo sy ny divay amin’ny Eokaristia. Asandrany ho ambonin’ny sakramenta rehetra ny Eokaristia ary ataony “ho fandavorariana ny fiainana ara-panahy sy …
→
-
1375
Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina
Amin’ny fiovàn’ny mofo sy divay ho Vatana sy ho Ran’i Kristy no manjary amin’io sakramenta io ny fisiana maha-eo an’i Kristy. Nanantitrantitra mafy ny finoan’ny Fiangonana ny Aban’ny Fiangonana ny amin’ny fandairan’ny …
→
-
1376
Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina
Mamintina ny finoana katôlika ny Kônsily tao Trente amin’ny fanambaràna hoe : “Satria i Kristy, Mpanavotra antsika, nilaza fa izay natolony tamin’ny endriky ny mofo dia Vatany marina tokoa, ka tanana lalandava …
→
-
1377
Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina
Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny Eokaristia dia manomboka amin’ny fotoanan’ny fankamasinana, ary maharitra ela izany raha mbola maharitra koa ny fisia-maha-izy ny mofo sy ny divay amin’ny Eokaristia. I Kristy dia …
→
-
1378
Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina
Ny fanajana am-bavaka ny Eokaristia . Ao amin’ny litorzian’ny lamesa no anehoantsika ny finoantsika ny fisiana maha-eo marina tokoa an’i Kristy amin’ny endriky ny mofo sy ny divay, ohatra amin’izany, amin’ny fandohalihana, …
→
-
1379
Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina
Ny fitahirizana masina (tabernakla) dia voalohany indrindra natao hitahirizana amim-panajana ny Eokaristia mba hahafahana mitondra azy ivelan’ny lamesa ho an’ireo marary sy ireo tsy tonga. Noho ny fandalinana ny finoana ny amin’ny …
→
-
1380
Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina
Mendrika mihitsy ny nanirian’i Kristy hitoetra ao amin’ny Fiangonany amin’ity fomba tokana aman-tany ity. Noho i Kristy nandao ireo mpianany amin’ny endrika hita maso, dia sitrany ny nanome antsika ny fisiana maha-eo …
→
-
1381
Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina
“Ny fisian’ny Vatana marin’i Kristy sy ny Ra marin’i Kristy amin’ity sakramenta ity, dia "tsy amin’ny fandrenesana velively no ahafatarana izany, hoy i Md Thomas, fa amin’ny alalan’ny finoana irery , izay …
→
-
1382
VI. Ny fanasam-be momba ny Paka
Ny lamesa dia sady tsangambato fahatsiarovana ny sorona izay ao amin’izany no hitohizan’ny sorona teo amin’ny Hazofijaliana, sy ny fanasam-be masin’ny fiombonana amin’ny Vatana sy amin’ny Ran’ny Tompo ; tsy azo sarahina …
→
-
1383
VI. Ny fanasam-be momba ny Paka
Ny ôtely , izay manodidina izany ny Fiangonana no miara-miangona amin’ny fankalazana ny Eokaristia, dia maneho ireo endrika roa an’ny mistery iray ihany : ny ôtelin-tsorona sy ny latabatry ny Tompo, sady …
→
-
1384
“Samia mandray sy mihinana amin’ity ianareo rehetra” : ny kômonio
Miangavy antsika amin’ny fanasana maika ny Tompo mba handray Azy amin’ny sakramentan’ny Eokaristia: “Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia …
→
-
1385
“Samia mandray sy mihinana amin’ity ianareo rehetra” : ny kômonio
Mba hamaliana io fanasana io, dia tsy maintsy miomana isika amin’izany fotoan-dehibe tokoa sy masina indrindra izany. Mamporisika antsika handinin-tena i Md Paoly : “Na zovy na zovy mihinana ity mofo ity …
→