Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany

Laharana 1367 amin’ny Katesizy

Sorona tokana ihany ny soron’i Kristy sy ny soron’ny Eokaristia : “Tokana sady mitovy ihany Ilay  atao sorona, iray ihany Ilay manolotra sorona ankehitriny amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny Pretra, Ilay nano-lotra ny Tenany mihitsy tamin’izay teo amin’ny Hazofijaliana. Ny fomba fanolotra fotsiny no tsy mitovy”[48] : “Ary satria ao amin’izany sorona lavorary sady masina izay tanteraka amin’ny lamesa izany, io Kristy io ihany, izay nanolotra ny Tenany indray mandeha monja tamin’ny fomba nalatsa-dra teo ambony ôtelin’ny Hazofijaliana, no votoaty sy atolotra amin’ny fomba tsy alatsa-dra, koa tena sorom-panonerana marina io sorona io”[49].

Loharano ôfisialy ↗