Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina

Laharana 1374 amin’ny Katesizy

Tokana aman-tany ny fomba fisiana maha-eo an’i Kristy, amin’ny endriky ny mofo sy ny divay amin’ny Eokaristia. Asandrany ho ambonin’ny sakramenta rehetra ny Eokaristia ary ataony “ho fandavorariana ny fiainana ara-panahy sy ho tanjom-piafarana izay amin’izany no iompanan’ny sakramenta rehetra”[59]. Amin’ny sakramenta masina indrindra ny Eokaristia no “misy marina tokoa, tena izy tokoa ary ara-pisia-maha-izytokoa ny Vatana sy ny Ra miaraka amin’ny fanahy sy ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa-Kristy Tompontsika, koa noho izany, i Kristy iray manontolo”[60]. “Antsoina hoe "tena misy marina " io fisiana maha-eo io, tsy hoe fiantsoana manokana, tahaka ny hoe tsy "tena misy marina" ny maha-eo hafa, fa amin’ny fomba ambony dia ambony satria fisia-maha-izy manontolo izany, ary amin’ny alalan’izany i Kristy, Andriamanitra sady olombelona, no eo manontolo tanteraka”[61].

Loharano ôfisialy ↗