Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina
Laharana 1373 amin’ny Katesizy
“I Kristy Jesoa izay maty, nitsangan-ko velona, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra, manalalana ho antsika” (Rôm 8,34), dia eo amin’ny Fiangonany amin’ny fomba maro[56] : ao amin’ny Teniny, ao amin’ny vavaky ny Fiangonany, eo amin’izay “iangonan’ny olona roa na telo amin’ny anarako” (Mt 18,20), ao amin’ny mahantra, ny marary, ny voafonja[57], ao amin’ny sakramentany izay Izy no mpamorona, ao amin’ny soron’ny lamesa sy ao amin’ny tenan’ny mpandraharaha masina. Nefa “amin’ny fara tampony indrindra, eo Izy, amin’ny endriky ny mofo sy ny divay amin’ny Eokaristia”[58].