Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1346 Ny lamesan’ny taonjato nifandimby Ny litorzian’ny Eokaristia dia mizotra araka ny rafitra fototra izay voatahiry nandritry ny taonjato maro hatramin’ny androntsika izao. Mivelatra ho fizaram-potoana anankiroa lehibe izy, nefa mirafitra ho tokana ihany ny votoatiny : …
  2. 1347 Ny lamesan’ny taonjato nifandimby Moa tsy io ihany no fizotran’ny sakafon’ny Pakan’i Jesoa nitsangan-ko velona niarahany tamin’ny mpianany ? Niaraka teny an-dalana sy nanazava ny Soratra Masina tamin’izy ireo Izy, avy eo, nony nipetraka hiara-misakafo tamin’izy …
  3. 1348 Ny fizotran’ny fankalazana Mivory izy rehetra . Midodododo mankeo amin’ny toerana iray ny kristianina hamonjy ny fiaraha-miangona amin’ny Eokaristia. Ny Tenan’ i Kristy mihitsy no Loha mitarika, izay Izy no mpanao voalohany indrindra ny Eokaristia. …
  4. 1349 Ny fizotran’ny fankalazana Ny litorzian’ny Teny dia misy “ny bokin’ny mpaminany”, izany hoe ny Testamenta Taloha, sy “ny tahirim-pampianaran’ny apôstôly”, izany hoe ny Taratasin’izy ireo sy ireo Evanjely ; aorian’ny toriteny izay fampirisihana handray izany …
  5. 1350 Ny fizotran’ny fankalazana Ny fanolorana ny fanatitra (fanolorana) : entina amin’izay, indraindray entina amim-pilaharana, eo amin’ny ôtely ny mofo sy ny divay izay ho atolotry ny Pretra amin’ny anaran’i Kristy ao amin’ny sorona Eokaristika, izay …
  6. 1351 Ny fizotran’ny fankalazana Hatrany am-piandohana, ny kristianina no manolotra, miaraka amin’ny mofo sy ny divay ho an’ny Eokaristia, ny fanomezan’izy ireo mba hozaraina amin’ireo izay ao anatin’ny tsy fahampiana. Ity fomba fanangonana (rakitra) [38] ity, …
  7. 1352 Ny fizotran’ny fankalazana Ny vavaka fisaorana : amin’ny vavaka Eokaristika, vavaka fisaorana sy fankamasinana, no tonga eo amin’ny ivo sy tampon’ny fankalazana isika: Amin’ny prefasy ny Fiangonana no misaotra ny Ray, amin’ny alalan’i Kristy, ao …
  8. 1353 Ny fizotran’ny fankalazana Amin’ny epikilezy, mangataka amin’ny Ray ny Fiangonana handrotsaka ny Fanahiny Masina (na ny herin’ny tsodranony [41] ) eo amin’ny mofo sy ny divay, mba ho zary Vatana sy Ran’i Jesoa-Kristy ireo, amin’ny …
  9. 1354 Ny fizotran’ny fankalazana Manaraka izany, amin’ny anaminezy , mahatsiaro ny fijalian’i Jesoa-Kristy, ny fitsanganany ho velona ary ny fiverenany amim-boninahitra ny Fiangonana ; atolony amin’ny Ray ny fanatitry ny Zanany izay mampihavana antsika Aminy indray. …
  10. 1355 Ny fizotran’ny fankalazana Amin’ny kômonio , ialohavan’ny vavaky ny Tompo sy ny famakiana ny mofo, mandray ny “mofon’ny lanitra” sy “ny kalisim-pamonjena” ny mpino, dia ny Vatana sy ny Ran’i Kristy, izay nanolo-tena “ho fiainan’ …
  11. 1356 V. Ny sorona ara-tsakramenta : fisaorana, tsangambato fahatsiarovana, fisiana maha-eo Raha mankalaza ny Eokaristia hatrany am-piandohana ny kristianina, sy amin’ny endrika izay tsy niova, tao anatin’ny fisia-maha-izy azy, teo am-pamakivakiana ny faha-samihafa lehibe ny taona sy ny litorzia dia satria fantatsika fa …
  12. 1357 V. Ny sorona ara-tsakramenta : fisaorana, tsangambato fahatsiarovana, fisiana maha-eo Ity baikon’ny Tompo ity, dia tanterahintsika amin’ny fankalazana ny tsangambato fahatsiarovana ny sorona natolony . Izany no atao dia ny anolorantsika amin’ny Ray izay ny Tenan’Izy ihany no nanome azy antsika : …
  13. 1358 V. Ny sorona ara-tsakramenta : fisaorana, tsangambato fahatsiarovana, fisiana maha-eo Noho izany, tsy maintsy hodinihintsika ny Eokaristia : - amin’ny maha-fisaorana sy fiderana ny Ray azy ; - amin’ny maha-tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Vatany azy ; - amin’ny fisiana …
  14. 1359 Ny fisaorana sy ny fiderana ny Ray Ny Eokaristia, sakramentam-pamonjena antsika notanterahin’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana, dia sorom-piderana amin’ny fisaorana noho ny asa fahariana koa. Amin’ny sorona Eokaristika, ny zavaboary manontolo tian’Andriamanitra dia natolotra ny Ray tamin’ny alalan’ny fahafatesan’i …
  15. 1360 Ny fisaorana sy ny fiderana ny Ray Sorom-pisaorana ny Ray ny Eokaristia, fisaorana izay anehoan’ny Fiangonana ny fankasitrahany an’Andriamanitra noho ny soa rehetra avy Aminy, noho izay rehetra notanterahiny tamin’ny alalan’ny fahariana, ny fanavotana, ary ny fanamasinana. Ny Eokaristia …
  16. 1361 Ny fisaorana sy ny fiderana ny Ray Sorom-piderana koa ny Eokaristia, izay hihiran’ny Fiangonana ny Voninahitr’Andriamanitra amin’ny anaran’ny voary manontolo. Amin’ny alalan’i Kristy ihany no azo atao izany sorom-piderana izany : Izy no mampiray ny mpino amin’ny Tenany, amin’ny …
  17. 1362 Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany Ny Eokaristia no tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’i Kristy, fampiharana amin’ny fiainana ankehitriny ary fanatitra ara-tsakramentan’ ny sorona tokana aman-tany nataony, ao amin’ny litorzian’ny Fiangonana izay Vatany. Ao amin’ny vavaka fisaorana rehetra no …
  18. 1363 Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany Araka ny hevi-tenin’ny Soratra Masina, ny hoe tsangambato fahatsiarovana dia tsy fahatsiarovana fotsiny ny zava-niseho tamin’ny lasa, fa fanaovana antso avo ny zava-mahagaga izay notanterahin’Andriamanitra ho an’ny olombelona [44] . Amin’ny fankalazana …
  19. 1364 Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany Mahazo hevitra vaovao ny tsangambato fahatsiarovana ao amin’ny Testamenta Vaovao. Rahefa mankalaza ny Eokaristia ny Fiangonana, dia mampahatsiaro ny Pakan’i Kristy, ary mahatonga azy ity ho eo : ny sorona izay natolotr’i …
  20. 1365 Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany Noho izy tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’i Kristy, ny Eokaristia dia sorona koa . Ny toetra manokana maha-sorona ny Eokaristia dia miseho amin’ireo teny nanorenana azy ihany : “Ity no Vatako izay atolotra …