Ny lamesan’ny taonjato nifandimby
Laharana 1346 amin’ny Katesizy
Ny litorzian’ny Eokaristia dia mizotra araka ny rafitra fototra izay voatahiry nandritry ny taonjato maro hatramin’ny androntsika izao. Mivelatra ho fizaram-potoana anankiroa lehibe izy, nefa mirafitra ho tokana ihany ny votoatiny :
- ny famoriana, ny litorzian’ny Teny, miaraka amin’ny vakiteny, ny toriteny ary ny ranombavaky ny mpino ;
- ny litorzian’ny Eokaristia, miaraka amin’ny fanolorana ny mofo sy ny divay, ny vavaka fisaorana fankamasinana ary ny kômonio.
Mitambatra ho “asa fanompoam-pivavahana iray tsy mivaky”[33] ny litorzian’ ny Teny sy ny litorzian’ny Eokaristia miaraka ; satria, ny latabatra voa-omana ho antsika ao amin’ny Eokaristia dia sady an’ny Tenin’ Andriamanitra no an’ny Vatan’ny Tompo[34].