Ny fizotran’ny fankalazana
Laharana 1353 amin’ny Katesizy
Amin’ny epikilezy, mangataka amin’ny Ray ny Fiangonana handrotsaka ny Fanahiny Masina (na ny herin’ny tsodranony[41]) eo amin’ny mofo sy ny divay, mba ho zary Vatana sy Ran’i Jesoa-Kristy ireo, amin’ny alalan’ny heriny, ary ireo izay mandray anjara amin’ny Eokaristia dia mba ho vatana iray sy fanahy iray ihany (ny lovam-panahy litorzika sasantsasany dia mametraka ny epikilezy aorian’ny anaminezy).
Ao amin’ny tantaran’ny namoronana ny Eokaristia, ny herin’ny teny sy ny asan’i Kristy, ary ny herin’ny Fanahy Masina, no maha-misy eo ara-tsakramenta, amin’ny endriky ny mofo sy ny divay, ny Vatany sy ny Rany, ny sorona natolony indray mandeha monja teo amin’ny Hazofijaliana.