Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1241 Ny dikan’ny famantarana ampiasaina amin’ny fankalazana Ny fanosorana diloilo masina , diloilo nasiana zava-manitra sy nohamasinin’ny Eveka, dia midika ny fanomezana ny Fanahy Masina an’ilay vao vita batemy. Tonga kristianina izy, izany hoe : “voahosotry” ny Fanahy Masina, …
  2. 1242 Ny dikan’ny famantarana ampiasaina amin’ny fankalazana Amin’ny litorzian’ireo Fiangonana Tatsinanana, ny fanosorana aorian’ny Batemy no sakramentan’ny Fanosorana masina (Kônfirmasiôna). Amin’ny litorzia rômanina, io no manambara ny fanosorana fanindroany amin’ny diloilo masina izay homen’ny Eveka : ny sakramentan’ny Fankaherezana, …
  3. 1243 Ny dikan’ny famantarana ampiasaina amin’ny fankalazana Ny akanjo fotsy no ampisehoana an’ohatra, fa ny vita batemy dia “mitafy an’i Kristy” (Gal 3,27) : natsangan-ko velona miaraka amin’i Kristy. Ny jiro , arehitra amin’ny jiron’ny Paka, dia midika fa …
  4. 1244 Ny dikan’ny famantarana ampiasaina amin’ny fankalazana Ny fandraisana kômonio voalohany amin’ny Eokaristia . Noho ilay zazavao amin’ny finoana tonga zanak’Andriamanitra, mitafy ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady, dia voaray “ao amin’ny fanasam-be amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’Ondry” izy, ary mandray ny …
  5. 1245 Ny dikan’ny famantarana ampiasaina amin’ny fankalazana Ny tsodrano manetriketrika no mamarana ny fankalazana ny Batemy. Amin’ny fotoana fanaovana Batemin-jaza vao teraka, dia mitana toerana manokana ny fitsofan-drano ny reny.
  6. 1246 IV. Iza no mahazo mandray ny Batemy ? “Ny olombelona rehetra tsy mbola vita batemy, ary izy ihany, no mahazo mandray ny Batemy” [43] .
  7. 1247 Ny Batemin’olon-dehibe Hatrany am-piandohan’ny Fiangonana, ny Batemin’olon-dehibe dia toe-javatra mahazatra indrindra teo amin’ny toerana izay mbola vao haingana no nitorìna ny Evanjely. Koa ny katekomenà (fiomanana amin’ny Batemy) no nitana toerana lehibe tamin’izay. Amin’ny …
  8. 1248 Ny Batemin’olon-dehibe Ny katekomenà, na fampianarana amam-panabeazana ny katekomena, dia mikendry ny hahafahan’ireo katekomena mitondra ny fibebahan’izy ireo sy ny finoan’izy ireo ho amin’ny fahamatorana, ho valin’ny fanaovan’ Andriamanitra dingana mialoha sy ho firaisana …
  9. 1249 Ny Batemin’olon-dehibe Ny katekomena “dia efa tafaray amin’ny Fiangonana, efa anisan’ny ao an-tranon’i Kristy, ka tsy mahagaga raha miaina ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana izy ireo” [45] . “Efa mambomba azy ireo …
  10. 1250 Ny Batemin-jaza Ny zaza, noho izy teraka miaraka amin’ny fomba aman-toetra maha-olombelona lavo sy voaloton’ny fahotana tamin’ny fototra, dia mila koa ny fahateraham-baovao amin’ny Batemy [47] , mba ho afaka amin’ny herin’ ny maizina …
  11. 1251 Ny Batemin-jaza Ho fantatry ny ray aman-dreny kristianina fa io fomba fanao io dia mifanaraka koa amin’ny andraikitra maha-mpamelona azy ireo amin’ny fiainana izay nankinin’Andriamanitra tamin’izy ireo [50] .
  12. 1252 Ny Batemin-jaza Lovam-panahin’ny Fiangonana efa fahagola ny fanaovana Batemin-jaza. Voamarina mazava tsara izany hatramin’ny taonjato faharoa. Kanefa, azo inoana fa nanomboka tany am-piandohan’ny fitorian-tenin’ny apôstôly, rahefa nandray ny Batemy ny “iray trano” manontolo [51] …
  13. 1253 Finoana sy Batemy Sakramentan’ny finoana ny Batemy [53] . Mila ankohonan’ny mpino anefa ny finoana. Tsy misy afa-tsy amin’ny finoan’ny Fiangonana ihany ny mpino tsirairay no afaka mino. Ny finoana izay ilaina amin’ny Batemy dia …
  14. 1254 Finoana sy Batemy Eo amin’ny vita batemy rehetra, na ankizy na olon-dehibe, tokony hitombo hery ny finoana aorian ’ny Batemy. Izany indrindra no ankalazan’ny Fiangonana isan-taona, amin’ny Alin’ny Paka, ny fanavaozana ny toky tamin’ny Batemy. …
  15. 1255 Finoana sy Batemy Mba hahafahan’ny fahasoavan’ny Batemy mivelatra, zava-dehibe ny fanampian’ireo ray aman-dreny. Eo koa ny anjara toeran’ny ray na ny reny mpiantoka , izay tsy maintsy ho mpino marim-pototra, afaka sy vonona hanampy ny …
  16. 1256 V.Iza no mahazo manao batemy ? Ny mpandraharaha masina manam-pahefana andavanandro hanao batemy dia ny Eveka sy ny Pretra, ary, ao amin’ny Fiangonana latinina, ny Diakra koa [56] . Raha toa ka an-kamehana, ny olona rehetra, na dia …
  17. 1257 VI. Ny ilana ny Batemy Ny Tenan’Izy Tompo mihitsy no manamafy fa ilaina ho amin’ny famonjena ny Batemy [60] . Koa nandidy ny mpianany Izy hitory ny Evanjely sy hanao batemy ny firenen-drehetra [61] . Ilaina amin’ny …
  18. 1258 VI. Ny ilana ny Batemy Hatramin’ny ela ny Fiangonana no mitana ny finoana tsy voahozongozona fa ireo izay niharan’ny fahafatesana noho ny finoana, tsy nandray akory ny Batemy, dia vita batemy tamin’ny alalan’ny fahafatesan’izy ireo ho an’i …
  19. 1259 VI. Ny ilana ny Batemy Ho an’ny katekomena izay maty alohan’ny Batemin’izy ireo, ny fanirian’izy ireo miharihary mazava handray izany miaraka amin’ny nenina noho ny fahotan’izy ireo sy amin’ny fifankatiavana, no miantoka ny famonjena ho azy ireo …
  20. 1260 VI. Ny ilana ny Batemy “Satria maty ho an’ny olona rehetra i Kristy, ary tena tokana tokoa ny fiantsoana farany ny olombelona, izany hoe ny fiantsoan’Andriamanitra, dia tsy maintsy heverintsika fa ny Fanahy Masina no manolotra ho …