Ny Batemin’olon-dehibe

Laharana 1248 amin’ny Katesizy

Ny katekomenà, na fampianarana amam-panabeazana ny katekomena, dia mikendry ny hahafahan’ireo katekomena mitondra ny fibebahan’izy ireo sy ny finoan’izy ireo ho amin’ny fahamatorana, ho valin’ny fanaovan’ Andriamanitra dingana mialoha sy ho firaisana amin’ny ankohonam-piangonana. Ny atao amin’izany dia “fampianarana amam-panabeazana ho amin’ny fiainana kristianina tsy misy tomika (…) izay amin’ny alalan’izany no iraisan’ny mpianatra amin’i Kristy Mpampianany. Noho izany, ny katekomena dia tsy maintsy tarihina hahalala (…) ny misterim-pamonjena sy ny fampiharana eo amin’ny fiainana ny Vaovao Mahafaly, sy hampidirina  amin’ny fiainana ny finoana, ny litorzia ary ny fitiavana ny Vahoakan’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fombam-pivavahana masina, ankalazaina amin’ny fotoana mifandimbidimby”[44].

Loharano ôfisialy ↗