Ny Batemin-jaza

Laharana 1252 amin’ny Katesizy

Lovam-panahin’ny Fiangonana efa fahagola ny fanaovana Batemin-jaza. Voamarina mazava tsara izany hatramin’ny taonjato faharoa. Kanefa, azo inoana fa nanomboka tany am-piandohan’ny fitorian-tenin’ny apôstôly, rahefa nandray ny Batemy ny “iray trano” manontolo[51], dia natao batemy koa ny zaza[52].

Loharano ôfisialy ↗