Ny dikan’ny famantarana ampiasaina amin’ny fankalazana
Laharana 1241 amin’ny Katesizy
Ny fanosorana diloilo masina, diloilo nasiana zava-manitra sy nohamasinin’ny Eveka, dia midika ny fanomezana ny Fanahy Masina an’ilay vao vita batemy. Tonga kristianina izy, izany hoe : “voahosotry” ny Fanahy Masina, voakambana amin’i Kristy, izay voahosotra ho mpisorona, mpaminany ary mpanjaka[41].