Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
401
Ny voaloham-pahotan’ny olombelona
Nanomboka hatramin’io fahotana voalohany io, manafotra an’izao tontolo izao tokoa ny “firohotry” ny fahotana : ny famonoana mpiray tam-po nataon’i Kaina tamin’i Abela [301] ; ny fahalòvana manenika an’izao tontolo izao noho …
→
-
402
Vokatry ny fahotan’i Adama amin’ny olombelona rehetra
Voasingotry ny fahotan’i Adama avokoa ny olombelona rehetra. Manamafy izany i Md Paoly : “Noho ny tsy faneken’ny olona iray monja, dia nanjary mpanota ny be sy ny maro (izany hoe ny …
→
-
403
Vokatry ny fahotan’i Adama amin’ny olombelona rehetra
Mampianatra lalandava ny Fiangonana, amin’ny fanarahany an’izay nolazain’i Md Paoly, fa ny fahoriana mafy izay mitambesatra amin’ny olombelona, sy ny fironan’izy ireo amin’ny ratsy sy amin’ny fahafatesana, dia tsy ho takatry ny …
→
-
404
Vokatry ny fahotan’i Adama amin’ny olombelona rehetra
Nahoana ny fahotan’i Adama no nanjary fahotan’ny taranany rehetra ? Ny taranak’olombelona rehetra ao amin’i Adama dia “toy ny vatana tokan’ny olon-tokana” [307] . Avy amin’izany maha-“tokana ny taranak’olombelona” izany, no nahatonga …
→
-
405
Vokatry ny fahotan’i Adama amin’ny olombelona rehetra
Na mahavoa ny tsirairay manokana aza ny fahotana tamin’ny fototra [309] , dia tsy manana toetra manokana maha-fahadisoan’ny isam-batan’olona azy, na dia ny iray monja amin’ny taranak’i Adama aza. Tsy fananana ny …
→
-
406
Vokatry ny fahotan’i Adama amin’ny olombelona rehetra
Tamin’ny taonjato faha-5 indrindra no voafaritra mazava ny fitambaram-pampianaran’ny Fiangonana momba ny fifindran’ny fahotana tamin’ny fototra, ka singanina manokana amin’izany ny herin’ny foto-pandinihan’i Md Augustin nanoherana ny "pélagianisme", ary tamin’ny taonjato faha-16, …
→
-
407
Ady mafy …
Ny fitambaram-pampianarana momba ny fahotana tamin’ny fototra – mifandray amin’ny an’ny Fanavotan’i Kristy – dia mampiseho fomba fijery mahay manavaka sy mandanjalanja mazava tsara ny amin’ny toeran’ny olombelona sy ny asa amam-pitondran-tenany …
→
-
408
Ady mafy …
Ny vokatry ny fahotana tamin’ny fototra sy ny fahotana rehetra ataon’ny olombelona tsirairay dia mahatonga toe-piainana mpanota amin’ny fiainan’ izao tontolo izao ankapobeny, izay azo lazaina amin’ilay fomba fitenin’i Masindahy Joany manao …
→
-
409
Ady mafy …
Izany toe-javatra mahatsiravina misy an’izao tontolo izao izay “mitoetra daholo eo ambany fahefan’ilay ratsy”(1 Jo 5,19) [315] izany, no mahatonga ny fiainan’ny olombelona ho ady : Ady mafy hanoherana ny hery amam-pahefan’ny …
→
-
410
IV. “Tsy navelanao hanjakan’ny fahafatesana izy”
Tsy nilaozan’Andriamanitra ny olombelona, taorian’ny fahalavoany. Ny mifanohitra amin’izany aza, fa nantsoin’Andriamanitra izy [317] ary nambarany taminy tamin’ny fomba mistery ny fandresena ny ratsy sy ny fanarenana amin’ny fahalavoany [318] . “Santatry …
→
-
411
IV. “Tsy navelanao hanjakan’ny fahafatesana izy”
Hitan’ny lovam-pampianarana kristianina ao amin’io andalan-tSoratra Masina io, ny filazana an’i “Adama vaovao” [319] izay hanonitra be dia be, amin’ ny alalan’ny “fanekeny hatramin’ny fahafatesana eo amin’ny Hazofijaliana” (Filip 2,8), ny tsy …
→
-
412
IV. “Tsy navelanao hanjakan’ny fahafatesana izy”
Fa nahoana Andriamanitra no tsy nanakana ny olombelona voalohany tsy hanota ? Izao no avalin’i Md Léon le Grand : “Ny fahasoavana tsy hay ambara avy amin’i Kristy dia manome antsika ny …
→
-
413
IV. “Tsy navelanao hanjakan’ny fahafatesana izy”
“ Tsy nanao ny fahafatesana Andriamanitra, ary tsy faly amin’ny fahaverezan’ny velona rehetra Izy (…). Fa ny fialonan’ny demony no nidiran’ny fahafatesana tamin’izao tontolo izao ” (Fah 1,13; 2,24).
→
-
414
IV. “Tsy navelanao hanjakan’ny fahafatesana izy”
Anjely niongana i Satana na ny devoly sy ny demony hafa rehetra, noho izy ireo nandà an-kitsirano ny hanompo an’Andriamanitra sy ny fandaharany. Fanapahan-kevitra tsy miova intsony izany safidin’izy ireo nanohitra an’Andriamanitra …
→
-
415
IV. “Tsy navelanao hanjakan’ny fahafatesana izy”
“ Toe-pahamasinana no naharian’Andriamanitra ny olombelona, nefa voalangolangon’ilay Mpisompatra izy, hatrany am-piandohan’ny tantara, ka nanararaotra ny fahafahany, tamin’ny nitsanganany hanohitra an’ Andriamanitra sy tamin’ny naniriany ho tody amin’ny tanjona tiany hotratrarina ivelan’Andriamanitra …
→
-
416
IV. “Tsy navelanao hanjakan’ny fahafatesana izy”
Noho ny fahotan’i Adama, amin’ny maha-voalohan’olombelona azy, dia niala tao aminy ny toe-pahamasinana amam-pahalavorariana hatrany am-piandohana, izay noraisiny tamin’Andriamanitra, tsy ho an’ny tenany irery ihany, fa ho an’ny olombelona rehetra.
→
-
417
IV. “Tsy navelanao hanjakan’ny fahafatesana izy”
Fomba aman-toetra maha-olombelona ny olombelona voaratran’ny fahotana voalohany nataon’i Adama sy Eva, no nafindran’izy ireo tamin’ ny taranany, ka tsy nanana ny toe-pahamasinana amam-pahalavorariana hatrany am-piandohana. Ny tsy fananana io toetra io …
→
-
418
IV. “Tsy navelanao hanjakan’ny fahafatesana izy”
Vokatry ny fahotana tamin’ny fototra, dia mihaosa sy malemy, manaiky ny tsy fahalalana, ny fijaliana sy ny fandidiam-drafahafatesana, ary mirona amin’ny fahotana (fironana antsoina hoe “ fanirian-dratsin’ny nofo ” ), ny fomba …
→
-
419
IV. “Tsy navelanao hanjakan’ny fahafatesana izy”
“ Tanantsika àry, miaraka amin’ny Kônsilin’i Trente, fa nolovàna miaraka amin’ny fomba aman-toetra maha-olombelona ny olombelona ny fahotana tamin’ny fototra, “ tsy tamin’ny fakàna tahaka”, fa “tamin’ny fielezana ” , ka araka …
→
-
420
IV. “Tsy navelanao hanjakan’ny fahafatesana izy”
Soa tsara kokoa noho izay nesorin’ny fahotana tamintsika no azontsika tamin’ny fandresen’i Kristy ny fahotana, fa : “ Ao amin’izay nahabe dia be ny fahotana no nihoa-pampana ny fahasoavana ” (Rôm 5,20).
→