Vokatry ny fahotan’i Adama amin’ny olombelona rehetra
Laharana 403 amin’ny Katesizy
Mampianatra lalandava ny Fiangonana, amin’ny fanarahany an’izay nolazain’i Md Paoly, fa ny fahoriana mafy izay mitambesatra amin’ny olombelona, sy ny fironan’izy ireo amin’ny ratsy sy amin’ny fahafatesana, dia tsy ho takatry ny saina, raha tsy amin’ny fampifandraisana an’ireny amin’ ny fahotan’i Adama sy ny amin’izay nahatonga azy namindra tamintsika ny fahotana, ka nahavoa antsika rehetra hatrany am-bohoka, sy nahatonga antsika ho “olona maty”[305]. Noho izany fitokiana marina amin’ny finoana izany, dia manome ny Batemy ho famelana ny fahotana ny Fiangonana, na dia amin’ny zazakely izay tsy mbola nahavita fahotana inian’ny isam-batan’ olona atao aza[306].