Ady mafy …

Laharana 407 amin’ny Katesizy

Ny fitambaram-pampianarana momba ny fahotana tamin’ny fototra – mifandray amin’ny an’ny Fanavotan’i Kristy – dia mampiseho fomba fijery  mahay manavaka sy mandanjalanja mazava tsara ny amin’ny toeran’ny olombelona sy ny asa amam-pitondran-tenany eto amin’izao tontolo izao. Tamin’ny alalan’ny fahotan’ireo voalohan-dray aman-dreny no nahazoan’ny devoly ny fahefana manjaka ihany teo amin’ny olombelona, na dia manana ny fahalalahany aza ny olombelona. Ny fahotana tamin’ny fototra no mitarika “ny fanandevozana eo ambany fahefan’ilay izay manana ny fanjakan’ny fahafatesana, izany hoe ny devoly”[312]. Ny tsy mahalala ny fananan’ny olombelona fomba aman-toetra voaratra, mirona amin’ny ratsy, dia miteraka hadisoana lehibe eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny pôlitika, ny asa sôsialy[313] ary ny fomba fiainana amam-pitondran-tena.

Loharano ôfisialy ↗