IV. “Tsy navelanao hanjakan’ny fahafatesana izy”

Laharana 410 amin’ny Katesizy

Tsy nilaozan’Andriamanitra ny olombelona, taorian’ny fahalavoany. Ny mifanohitra amin’izany aza, fa nantsoin’Andriamanitra izy[317] ary nambarany taminy tamin’ny fomba mistery ny fandresena ny ratsy sy ny fanarenana amin’ny fahalavoany[318]. “Santatry ny Evanjely” no fiantsoana io andalan-tsoratry ny Jenezy io, noho izy filazana voalohany momba ny Mesia mpanavotra, amin’ny ady ifanaovan’ny bibilava sy Ravehivavy ary ny fandresena farany ho azon’ny tarana-dRavehivavy.

Loharano ôfisialy ↗