Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
2201
Toetran’ny fianakaviana
Miorina amin’ny fifaneken’ny mpivady ny tokantrano. Nalahatra ho amin’ ny soa ho an’ny mpivady sy ho amin’ny fiterahana ary ho amin’ny fanabeazana ny zanaka, ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Ny fifankatiavan’ny mpivady …
→
-
2202
Toetran’ny fianakaviana
Ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray akamban’ny fanambadiana no mamorona miaraka amin’ny zanak’izy ireo ny fianakaviana iray. Izany fandaharana izany dia mialohan’ny fankatoavana manontolo avy amin’ny Fanjakana ; tsy maintsy ekeny …
→
-
2203
Toetran’ny fianakaviana
Tamin’ny naharian’Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy no nanorenany ny fianakavian’olombelona sy nanomezany azy ny lalàna fototra iorenany. Mitovy fahamendrehana ny olona tsirairay ao amin’izany fianakaviana izany. Noho ny soa iombonana ho …
→
-
2204
Ny fianakaviana kristianina
“Ny fianakaviana kristianina dia sady manambara no manatanteraka amin’ ny fomba manokana ny fiombonan’ny Fiangonana ; noho izany antony izany, (…) tokony antsoina hoe fiangonana kely ao an-tokantrano ny fianakaviana kristianina” [4] …
→
-
2205
Ny fianakaviana kristianina
Fiombonan’ny olona ny fianakaviana kristianina, marika sy endriky ny fiombonan’ny Ray sy ny Zanaka ao amin’ny Fanahy Masina. Taratry ny tsanganasa faharian’ny Ray ny asany amin’ny ara-piterahana sy ny ara-panabeazana. Voantso hiombona …
→
-
2206
Ny fianakaviana kristianina
Ny fifandraisana eo anivon’ny fianakaviana no mitarika ny fitovian’ny fihetseham-po, ny fankamamiana ary ny tombon-tsoa, fa indrindra vokatry ny fifanajan’ny olona. Ankohonana nahazo tombon-tsoa manokana ny fianakaviana, voantso hanatanteraka “ny hevitra iombonan’ny …
→
-
2207
II. Ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina
Ny fianakaviana no singafototra fiandohan’ny fiainam-piaraha-monina . Izy no fiaraha-monina voa-Janahary izay iantsoana ny lehilahy sy ny vehivavy hifanolotra ny tenany ao anatin’ny fitiavana sy ao anatin’ny fanomezana ny aina. Ny fahefana, …
→
-
2208
II. Ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina
Ny fianakaviana dia tokony hanana toe-piainana hianaran’ny tsirairay ao aminy ny fiahiana sy ny fandraisana ho andraikitra ny tanora, ny zokiolona, ny marary na ny sembana, ary ny mahantra. Betsaka anefa ny …
→
-
2209
II. Ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina
Tokony ho ampiana sy arovana ny fianakaviana amin’ny alalan’ny fepetra ara-piaraha-monina sahaza azy. Ao amin’ireo fianakaviana mba tsy afaka manatontosa ny anjara adidiny, dia manana adidy ny fikambanana momba ny sôsialy hanampy …
→
-
2210
II. Ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina
Ny fanomezan-danja ny fianakaviana ho amin’ny fiainana sy hafinaretan’ ny mpiara-monina [7] no mahatonga ny mpiara-monina anana andraikitra manokana hanohana sy hanamafy orina ny fanambadiana mbamin’ny fianakaviana. Aoka ho ataon’ny mpitondra fanjakana …
→
-
2211
II. Ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina
Manana adidy ny vondrona mpitondra fanjakana hanaja ny fianakaviana, manampy azy, ary indrindra miantoka azy : - amin’ny fahafahana hanorina tokantrano, hanan-janaka sy hanabe azy ireo hifanaraka amin’ny zavatra azony antoka fa …
→
-
2212
II. Ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina
Manazava ny fifandraisana hafa eo amin’ny mpiara-belona ny didy fahefatra. Eo amin’ny rahalahintsika sy anabavintsika no ahitantsika ny zanaky ny ray aman-drenintsika ; eo amin’ny zanak’olo-mpirahalahy, mpirahavavy, mpianadahy amintsika no ahitantsika ny …
→
-
2213
II. Ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina
Ny olona no mamorona ny fikambanan’olona. Ny fitantanana tsara ataon’ izy ireo dia tsy voafaritra amin’ny fiantohana ny zo sy ny fanatanterahana ny adidy, ary koa amin’ny tsy fivadiham-pifanekena. Amin’ny fifandraisana ara-dalàna …
→
-
2214
Adidin’ny zanaka
Ny maha-Ray an’Andriamanitra no loharanon’ny maha-ray aman-dreny ny olombelona [10] ; amin’izany no iorenan’ny haja amam-boninahitry ny ray aman-dreny. Ny fanajan’ny zanaka na kely izy na lehibe, ny rain’izy ireo sy renin’izy …
→
-
2215
Adidin’ny zanaka
Ny fanajana ny ray aman-dreny ( fitiavan’ny zanaka manaja ray aman-dreny ) dia miseho amin’ny fankasitrahana an’ireo izay niteraka azy ireo sy nahafahan’izy ireo nitombo vatana, fahendrena ary fahasoavana, tamin’ny alalan’ny fanomezan’izy …
→
-
2216
Adidin’ny zanaka
Miseho amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanekena tena izy ny fanajan’ ny zanaka ny ray aman-dreny. “Anaka, tandremo ny didin-drainao, ary aza ariana ny fampianaran-dreninao (...). Hitarika anao amin’izay halehanao ireny ; hiambina …
→
-
2217
Adidin’ny zanaka
Raha mbola miaina ao an-tokantranon’ny ray aman-dreniny ny zanaka, dia adidiny ny manaiky ny fangatahana rehetra avy amin’ny ray aman-dreniny entanin’ny soa ho an’ny zanaka sy ho an’ny fianakaviana. “Ianareo zanaka, maneke …
→
-
2218
Adidin’ny zanaka
Ny didy fahefatra dia mampahatsiaro ny zanaka efa lehibe, ny adidy aman’andraikiny amin’ny ray aman-dreniny . Manana adidy izy, araka izay azony atao, hanome fanampiana ara-batana sy ara-tsaina an’ireo ray aman-dreniny, amin’ny …
→
-
2219
Adidin’ny zanaka
Manampy ny firindran’ny fiainam-pianakaviana manontolo ny fanajan’ny zanaka ny ray aman-dreny, mahakasika koa ny fifandraisana eo amin’ny samy mpiray tam-po izany. Misandrahaka eo amin’ny seha-pianakaviana manontolo ny fanajana ny ray aman-dreny. “Satro-boninahitry …
→
-
2220
Adidin’ny zanaka
Ho an’ny kristianina, misy fankasitrahana manokana tokony hefaina amin’ ireo izay nandraisany ny fanomezana ny finoana, ny fahasoavan’ny Batemy ary ny fiainana ao amin’ny Fiangonana. Mety ho ny ray aman-dreny izany, na …
→