II. Ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina

Laharana 2211 amin’ny Katesizy

Manana adidy ny vondrona mpitondra fanjakana hanaja ny fianakaviana, manampy azy, ary indrindra miantoka azy :
- amin’ny fahafahana hanorina tokantrano, hanan-janaka sy hanabe azy ireo hifanaraka amin’ny zavatra azony antoka fa marina ara-môraly sy ara-pivavahana ;
- amin’ny fiarovana ny faharetam-pifamatoran’ny mpivady sy ny fijoroan’ny fianakaviana ;
- amin’ny fahafahana haneho ampahibemaso ny finoany, hampita  izany, hanabe ny zanany amin’izany, miaraka amin’ny fomba sy ny rafi-panabeazana ilaina ;
- amin’ny zo hanam-pananana manokana, fahafahana hanorina anton’asa, hanana asa, trano fonenana, zo hifindra monina ;
- araka ny rafi-pitondran’ny firenena, amin’ny zo ho tsaboina, amin’ny fitsimbinana ny zokiolona, amin’ny volan-jaza ;
- amin’ny fiarovana ny fandriampahalemana sy ny fahasalamana, indrindra amin’ny loza toy ny zava-mahadomelina, ny fampisehoam-betaveta, ny fidorohana zava-pisotro mahamamo, sns;
- amin’ny fahafahana hanorina fikambanana miaraka amin’ny fianakaviana hafa ary fahafahana ho voasolo tena amin’izany eo anatrehan’ireo mpitondra firenena[9].

Loharano ôfisialy ↗