Ny fianakaviana kristianina

Laharana 2206 amin’ny Katesizy

Ny fifandraisana eo anivon’ny fianakaviana no mitarika ny fitovian’ny fihetseham-po, ny fankamamiana ary ny tombon-tsoa, fa indrindra vokatry ny fifanajan’ny olona. Ankohonana nahazo tombon-tsoa manokana ny fianakaviana, voantso hanatanteraka “ny hevitra iombonan’ny mpivady ary koa ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny ray aman-dreny amin’ny fanabeazana ny zanaka”[6].

Loharano ôfisialy ↗