Adidin’ny zanaka
Laharana 2217 amin’ny Katesizy
Raha mbola miaina ao an-tokantranon’ny ray aman-dreniny ny zanaka, dia adidiny ny manaiky ny fangatahana rehetra avy amin’ny ray aman-dreniny entanin’ny soa ho an’ny zanaka sy ho an’ny fianakaviana. “Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra, fa ankasitrahan’ny Tompo izany” (Kôl 3,20)[13]. Mbola adidin’ny zanaka ny manaiky ny didy marina avy amin’ny mpanabe azy ireo sy ireo rehetra izay nanankinan’ny ray aman-dreny azy ireo. Kanefa raha tsapan’ny zanaka ao amin’ny kônsiansiny, fa ratsy ara-pitsipi-pitondran-tena ny manaiky ny didy atao aminy, dia aoka izy tsy hanaraka izany.
Na efa lehibe aza ny zanaka, dia mbola manana adidy hanaja ny ray aman-dreniny. Hanome fahafaham-po amin’ny fanirian’ny ray aman-dreniny izy ireo, hangataka an-tsitrapo tokoa ny toroheviny, ary handray tsara ny fananarana marina ataony. Mampiato ny fanekena ny ray aman-dreny ny fananan’ny zanaka ny fahaleovan-tenany, saingy ny fanajana azy ireo kosa mbola mitohy lalandava. Satria, ny fanajana dia mifototra amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra, iray amin’ireo fanomezan’ny Fanahy Masina.