← Lohahevitra rehetra

Fiainan’ny olombelona

Laharana 7

  1. 2258 Ny didy fahadimy “ Masina ny ain’olombelona , satria hatrany am-piandohany no ao aminy ny asam-paharian’Andriamanitra ary maharitra mandrakizay amin’ny fifandraisana manokana amin’ny Mpahary, izay hany tanjom-piafarany. Andriamanitra irery ihany no tompon’ny aina hatrany am-piandohany …
  2. 2259 Ny zava-boalazan’ny Tantara Masina Ny Soratra Masina, ao amin’ny tantaran’ny namonoan’i Kaina an’i Abela rahalahiny [34] , dia mampiseho, hatrany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona, ny fisian’ny fahatezerana sy ny fitsiriritana ao amin’ny olombelona, vokatry ny fahotana tamin’ny …
  3. 2260 Ny zava-boalazan’ny Tantara Masina Ny fanekem-pihavanan’Andriamanitra sy ny olombelona dia mirakitra fampahatsiarovana maro ny amin’ny fanomezan’Andriamanitra ny ain’ olombelona sy ny herisetra mahafaty ataon’ny olona : Hampamoahako ny ran’ny tsirairay ianareo (…). Ka na zovy na …
  4. 2261 Ny zava-boalazan’ny Tantara Masina Mamaritra mazava ny zavatra andraràna ao amin’ny didy fahadimy ny Soratra Masina : “Tsy hamono olona tsy manan-tsiny na olo-marina ianao” (Eks 23,7). Ny minia mamono olona tsy manan-tsiny dia manohitra mafy …
  5. 2262 Ny zava-boalazan’ny Tantara Masina Nampahatsiahivin’ny Tompo tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra ny didy hoe : “Tsy hamono olona ianao” (Mt 5,21), sady nampiany fandraràna koa tsy ho tezitra, tsy hankahala ary tsy hamaly faty. Mbola mihoatra noho …
  6. 2318 Misoroka ny ady “ Andriamanitra no mitana eo ambany fahefany ny fanahin’ny velona rehetra, sy ny fofon’ain’ny tenan’olombelona rehetra ” (Jôba 12,10).
  7. 2319 Misoroka ny ady . Masina ny ain’olombelona rehetra, manomboka amin’ny fotoana iforonany ao am-bohoka ka mandra-pahafatiny, satria ny olombelona amin’ny maha-olombelona azy dia natao mitovy endrika sy mifanahaka amin’Andriamanitra velona sady masina.