← Lohahevitra rehetra

Fahamendrehan’ny olombelona

Laharana 16

  1. 1700 Ny fahamendrehan’ny olombelona Ny nahariana ny olombelona hitovy endrika sy hifanahaka amin’ Andriamanitra no fototry ny fahamendrehany ( andalana 1 ) ; tanteraka izany amin’ny fiantsoana azy ho amin’ny hasambaran’Andriamanitra ( andalana 2 ). Anjarany …
  2. 1701 Ny olombelona endrik’Andriamanitra “I Kristy, amin’ny fanambaràna ny misterin’ny Ray sy ny Fitiavany, dia mampiseho miharihary ny olombelona amin’ny tenan’ny olombelona ihany sy mampahafantatra mazava aminy ny fahambonian’ny fiantsoana azy” [18] . Ao amin’i Kristy, …
  3. 1702 Ny olombelona endrik’Andriamanitra Hita ao amin’ny olona tsirairay ny endrik’Andriamanitra. Mamirapiratra ao amin’ny fiombonan’ny olona izany, amin’ny fifanahafana amin’ny firaisan’ireo Olona-Andriamanitra amin’izy samy izy (jer. toko faharoa).
  4. 1703 Ny olombelona endrik’Andriamanitra Ny olombelona, noho izy nomena fanahy “maha-olona sy tsy mety maty” [21] , no “hany voary eto ambonin’ny tany izay sitrak’Andriamanitra ho olombelona mihitsy” [22] . Vao notorontoronina izy, dia natokana ho …
  5. 1704 Ny olombelona endrik’Andriamanitra Mandray anjara amin’ny fahazavana sy amin’ny herin’ny Fanahin’ Andriamanitra ny olombelona. Amin’ny alalan’ny saina, afaka mahatakatra ny filaminan’ny zavatra naorìn’ny Mpahary izy. Amin’ny alalan’ny sitrapony, afaka mitondra ny tenany ihany mankamin’ny tena …
  6. 1705 Ny olombelona endrik’Andriamanitra Ny olombelona, noho ny herin’ny fanahiny sy ny herin’ny sainy mahiratra ary ny herin’ny sitrapony, dia nomena fahafahana, izay “famantarana manokana ny maha-endrik’Andriamanitra azy” [24] .
  7. 1706 Ny olombelona endrik’Andriamanitra Ny olombelona, amin’ny alalan’ny sainy, dia mahalala ny feon’ Andriamanitra izay manery azy “hanao ny tsara sy handositra ny ratsy” [25] . Voatery ny tsirairay hanaraka io lalàna io izay manako ao …
  8. 1707 Ny olombelona endrik’Andriamanitra “Ny olombelona, noho izy voasodokan’ilay Ratsy, hatrany am-piandohan’ny tantara, dia nanararaotra ny fahafahany” [26] . Resin’ny fakam-panahy izy ka nanao ratsy. Voatahiriny ny faniriana ny tsara, nefa ny fomba aman-toetrany dia mitondra …
  9. 1708 Ny olombelona endrik’Andriamanitra Tamin’ny alalan’ny fijaliany i Kristy no nanafaka antsika tamin’i Satàna sy ny fahotana. Nanao antsika ho mendrika ahazo ny fiainam-baovao ao amin’ny Fanahy Masina Izy. Ny fahasoavany no manavao an’izay nosimbain’ny fahotana …
  10. 1709 Ny olombelona endrik’Andriamanitra Ilay izay mino an’i Kristy dia tonga zanak’Andriamanitra. Io fananganan-janaka io no manova azy amin’ny fanarahany ny oha-piainan’i Kristy. Io no mahatonga azy ho afaka miasa amim-pahamarinana sy hanatanteraka ny tsara. Amin’ny …
  11. 1710 Ny olombelona endrik’Andriamanitra “ Amin’ny tenan’ny olombelona ihany no ampisehoan’i Kristy miharihary ny olombelona, sy ampahafantarany mazava ny fahambonian’ny fiantsoana azy ” [28] .
  12. 1711 Ny olombelona endrik’Andriamanitra .Ny olombelona, noho izy nomena fanahy maha-olona, saina ary sitrapo, dia voalahatra ho an’Andriamanitra hatramin’ny niforonany tao am-bohoka ary voatendry ho amin’ny hasambarana mandrakizay. Manohy ny fahalavorariany izy amin’ny “ fikatsahana sy …
  13. 1712 Ny olombelona endrik’Andriamanitra Ny fahafahana tena izy no “ famantarana manokana ny fitoviana endrika amin’Andriamanitra ” [30] ao amin’ny olombelona.
  14. 1713 Ny olombelona endrik’Andriamanitra Voadidy ny olombelona hanaraka ny lalàna môraly izay manery azy “ hanatanteraka ny tsara sy handositra ny ratsy ” [31] . Manako ao amin’ny kônsiansiny io lalàna io.
  15. 1714 Ny olombelona endrik’Andriamanitra Ny olombelona, noho ny fomba aman-toetrany voaratran’ny fahotana tamin’ny fototra, dia mora andairan’ny fahadisoana sy mirona amin’ny ratsy amin’ny fampiasana ny fahafahany.
  16. 1715 Ny olombelona endrik’Andriamanitra Ilay izay mino an’i Kristy no manana ny fiainam-baovao ao amin’ny Fanahy Masina. Ny fiainana ara-môraly, mitombo sy mihamatotra amin’ny fahasoavana, dia tsy maintsy ho tomombana any amin’ny voninahitry ny lanitra.