Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2738 Atao ahoana no hampahomby ny fivavahantsika ? Ny fanambaràna momba ny fivavahana ao amin’ny fitantanam-pamonjena no mampianatra antsika fa miankina amin’ny asan’Andriamanitra ao amin’ny tantara ny finoana. Ny fitokiana maha-zanaka dia avy amin’ny asany tsara indrindra : ny fijaliana …
  2. 2739 Atao ahoana no hampahomby ny fivavahantsika ? Ao amin’i Md Paoly, tena fahasahiana tokoa izany fitokiana izany [27] , miorina amin’ny vavaky ny Fanahy ao amintsika sy amin’ny fitiavan’ny Ray tsy mivadika izay nanomezany antsika ny Zanany Lahitokana [28] …
  3. 2740 Atao ahoana no hampahomby ny fivavahantsika ? Ny vavak’i Jesoa no mahatonga ny fivavahana kristianina ho fangatahana mahomby. Izy no môdelintsika amin’izany, Izy no mivavaka ao amintsika sy miaraka amintsika. Satria ny fon’ny Zanaka tsy mikatsaka afa-tsy izay mahafaly …
  4. 2741 Atao ahoana no hampahomby ny fivavahantsika ? Mivavaka ho antsika koa i Jesoa, eo amin’ny toerantsika sy ho amin’ny tombon-tsoantsika. Voaravona indray maka tamin’ny Antsony mahery teo amin’ny Hazofijaliana sy neken’ny Ray tamin’ny Fitsanganany ho velona ny fangatahantsika rehetra, …
  5. 2742 IV. Mitozoa amin’ny fitiavana “Mivavaha lalandava” (1 Tes 5,17), “amin’ny fotoana rehetra sy isa-minitra, misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy Tompontsika” (Efez 5,20), “mahareta ianareo amin’ny fivavahana sy ny fitalahoana ; mivavaha lalandava ianareo ao amin’ny …
  6. 2743 IV. Mitozoa amin’ny fitiavana Azo atao lalandava ny mivavaka : ny fotoanan’ny kristianina dia ny an’i Kristy nitsangan-ko velona izay “miaraka amintsika, isan’andro” (Mt 28,20), na manao ahoana na manao ahoana ny fitsokan’ny tafiodrivotra [31] . …
  7. 2744 IV. Mitozoa amin’ny fitiavana Filana eo amin’ny fiainana ny mivavaka. Tsy ampy haharesy lahatra ny porofo mifanohitra amin’izany : raha tsy mety hotarihin’ny Fanahy isika, dia miverina eo ambany fanandevozan’ny fahotana [33] . Ahoana moa no …
  8. 2745 IV. Mitozoa amin’ny fitiavana Tsy azo sarahina ny fivavahana sy ny fiainana kristianina satria iray ihany ny fitiavana momba izany ary iray ihany ny fandavan-tena vokatr’io fitiavana io. Iray ihany ny fitoviana maha-zanaka sy feno fitiavana …
  9. 2746 Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa Nony tonga ny Oran’i Jesoa, dia nivavaka tamin’ny Ray Izy [37] . Ny fivavahany, izay lava indrindra nampitain’ny Evanjely, dia mahafaoka ny fitantanana manontolo ny fahariana sy ny famonjena, toy ny fahafatesany …
  10. 2747 Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa Ara-drariny no iantsoan’ny lovam-panahy kristianina ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa hoe vavaka maha-“mpisorona” Azy. An’ny Mpisorombentsika izany, tsy azo sarahina amin’ny fanoloran-tenany ho Sorona, amin’ny “fandalovany mamakivavaky” (Paka) mankany amin’ny Ray izay …
  11. 2748 Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa Ao amin’io vavaka Paka sy ara-tSorona io, no “namondronana” ny zava-drehetra ao amin’i Jesoa [39] : Andriamanitra sy izao tontolo izao, ny Teny sy ny nofo, ny fiainana mandrakizay sy ny fotoana, …
  12. 2749 Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa Nahatontosa manontolo ny tsanganasan’ny Ray i Jesoa, hany ka mahahenika hatramin’ny fahataperan’ny fotoana ny fivavahany, tahaka ny Fanoloran-tenany ho sorona. Nameno ireo fotoana farany ny vavaka tamin’ny Ora ary nitondra ireo mankamin’ny …
  13. 2750 Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa Raha miditra amin’ny Anara-masin’i Jesoa Tompo isika no afaka mandray, avy ao anaty, ny vavaka nampianariny antsika hoe : “Rainay !” Ny vavaka maha-mpisorona Azy no nahazoana hevitra, avy ao anaty, an’ireo …
  14. 2751 Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa Farany, amin’io vavaka io no anambaràn’i Jesoa amintsika sy anomezany antsika ny “fahalalana” tsy azo sarahina momba ny Ray sy ny Zanaka [45] izay misterin’ny Fiainam-bavaka rahateo koa. FAMINTINANA
  15. 2752 Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa Mitaky ezaka sy tolona amin’ny tenantsika ihany sy amin’ny hafetsen’ny Mpaka fanahy ny vavaka. Ny tolom-bavaka dia tsy azo sarahina amin’ny “ adim-panahy ” ilaina hoenti-miasa andavanandro araka ny Fanahin’i Kristy: tahaka …
  16. 2753 Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa Amin’ny tolom-bavaka, ny tsy maintsy toherintsika dia ny fihevitra diso, ny toe-tsaina mahazatra samihafa, ny fahatsapana ny tsy fahombiazantsika. Ny tsara anoherana ireo fakam-panahy mampisy fisalasalana ny amin’ny ilàna na ny amin’ny …
  17. 2754 Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa Ny fahasarotana misongadina indrindra amin’ny fampiasam-bavaka, dia ny fihakahakahan-kevitra sy ny hamainan’ny fo. Amin’ny finoana, amin’ny fibebahan’ny fo sy amin’ny fiambenany no misy ny fanafodin’izany.
  18. 2755 Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa Fakam-panahy roa mpitranga matetika no mandrahona ny fivavahana : ny tsy fahampian’ny finoana sy ny fahalainana izay endriky ny harerahan-tsaina avy amin’ny fihenan’ny famolahan-tena na fiketrahan’ny sitrapo, ka mitondra ho amin’ny fahakiviana.
  19. 2756 Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa Ny fitokiana maha-zanaka no mandalo fitsapan-toetra rahefa heverintsika sy tsapantsika fa tsy hoe hoekena lalandava akory ny fivavahantsika. Mitaona antsika hanontany tena ny Evanjely ny amin’ny fifanarahan’ny fivavahantsika amin’ny fanirian’ny Fanahy.
  20. 2757 Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa “ Mivavaha lalandava ” (1 Tes 5,17). Azo atao lalandava ny mivavaka. Filana eo amin’ny fiainana mihitsy izany. Tsy azo sarahina ny fivavahana sy ny fiainana kristianina.