Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa
Laharana 2748 amin’ny Katesizy
Ao amin’io vavaka Paka sy ara-tSorona io, no “namondronana” ny zava-drehetra ao amin’i Jesoa[39] : Andriamanitra sy izao tontolo izao, ny Teny sy ny nofo, ny fiainana mandrakizay sy ny fotoana, ny fitiavana izay anoloran-tena sy ny fahotana izay mamadika izany, ny mpianatra nanatrika teo sy ireo izay hino Azy amin’ny alalan’ny tenin’izy ireo, ny fietrena sy ny voninahitra. Io no vavaka Mahairay.