Atao ahoana no hampahomby ny fivavahantsika ?

Laharana 2741 amin’ny Katesizy

Mivavaka ho antsika koa i Jesoa, eo amin’ny toerantsika sy ho amin’ny tombon-tsoantsika. Voaravona indray maka tamin’ny Antsony mahery teo amin’ny Hazofijaliana sy neken’ny Ray tamin’ny Fitsanganany ho velona ny fangatahantsika rehetra, ka noho izany tsy mitsahatra ny mitalaho ho antsika amin’ny Ray Izy[29]. Raha miray tanteraka amin’ny an’i Jesoa ny fivavahantsika, ao anatin’ny fitokiana sy ny fahasahiana maha-zanaka, dia ho azontsika izay rehetra angatahintsika amin’ny Anarany, mihoatra lavitra noho ity na itsy : ny Tenan’Izy Fanahy Masina izay manana ny fanomezana rehetra.

Loharano ôfisialy ↗