Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2231 Adidin’ny ray aman-dreny Misy ireo zanaka tsy manambady mba hikarakara ny ray aman-dreniny, na ny iray tam-po aminy, mba hilozoka manokana amin’ny asa na noho ny antony hafa maha-te-hidera. Afaka manampy be tokoa amin’ny soa …
  2. 2232 IV. Ny fianakaviana sy ny Fanjakan’Andriamanitra Ny fifamatoran’ny mpianakavy, na manao ahoana na manao ahoana ny havesa-danjany, dia tsy ambonin’ny zava-drehetra tanteraka. Arakaraka ny fitomboam-pahamatoran’ny zanaka sy ny fahazakan-tenany amin’ny maha-izy azy sy amin’ny ara-panahy, no mihamazava sy …
  3. 2233 IV. Ny fianakaviana sy ny Fanjakan’Andriamanitra Ny manjary mpianatr’i Jesoa, dia ny manaiky ny fiantsoana ho anisan’ny fianakavian’Andriamanitra , ny miaina araka ny fombam-piainany : “Na zovy na zovy hanao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, dia izy …
  4. 2234 V. Ny fahefana mifehy eo amin’ny fiaraha-monin’ny olom-pirenena Mandidy antsika koa ny didy fahefatra avy amin’Andriamanitra hanaja izay rehetra nandray tamin’Andriamanitra, mba hanasoa antsika, ny fahefana mifehy ny vahoaka. Hazavain’ny didy fahefatra avokoa na ny ny adidin’izay mampiasa ny fahefana, …
  5. 2235 Adidin’ireo mpitondra eo amin’ny firenena Adidin’izay rehetra nomena fahefana ny mampiasa izany ho amin’ny fanompoana. “Izay te ho lehibe aminareo, no aoka ho mpanomponareo” (Mt 20,26). Ny fampiasana fahefana iray dia ampifandanjana ara-pitsipi-pitondran-tena amin’ny maha-avy amin’Andriamanitra azy, …
  6. 2236 Adidin’ireo mpitondra eo amin’ny firenena Ny kendrena amin’ny fampiasana fahefana dia ny hampiharihary ireo ambaratongan-tsoatoavina marina, mba hanamora ny fampiasan’ny rehetra ny fahafahany sy ny andraikiny. Anjaran’ireo mpifehy ny mampiasa ny fahamarinana ara-pizaràna amim-pahendrena, ka hihevitra ny …
  7. 2237 Adidin’ireo mpitondra eo amin’ny firenena Ny fahefam-pitondram-panjakana dia tsy maintsy manaja ny zo fototra maha-olona ny olona. Ho ampanjakain’izy ireo amin’ny fo tsara ny fahamarinana ao anatin’ny fanajana ny zon’ny tsirairay, indrindra ny fianakaviana sy ireo atao …
  8. 2238 Adidin’ny olom-pirenena Ny olona eo ambany fahefana dia hihevitra ny lehiben’izy ireo ho solontenan’Andriamanitra izay natsangany ho mpandraharahan’ny fanomezany [25] : “Noho ny Tompo, aoka ianareo hanaiky ny lehibe rehetra natsangan’ny olona. (…) Mijoroa …
  9. 2239 Adidin’ny olom-pirenena Ny adidin’ny olom-pirenena dia ny mandray anjara miaraka amin’ny mpitondra fanjakana, amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona, amin’ny toe-tsaina mandala ny marina, ny rariny, ny firaisan-kina ary ny fahafahana. Ny fitiavana sy ny fanompoana …
  10. 2240 Adidin’ny olom-pirenena Ny manaiky ny manam-pahefana sy ny miara-miandraikitra ny soa iombonana dia mitaky ara-pitsipi-pitondran-tena handoa hetra, hampiasa ny zo handatsa-bato amin’ny fifidianana, hiaro ny tanindrazana : Efao amin’ny olona rehetra izay tokony hefaina …
  11. 2241 Adidin’ny olom-pirenena Manana adidy ny firenena manan-katao kokoa handray, araka izay azo atao, ireo vahiny mitady filaminan-tsaina sy fivelomana izay tsy mety hitany any amin’ny tany niaviany. Tsy hanao an-tsirambina ny fanjakana amin’ny fanajana …
  12. 2242 Adidin’ny olom-pirenena Ny olom-pirenena dia voadidin’ny kônsiansy tsy hanaraka ny didin’ireo mpitondra firenena raha toa izany didy izany mifanohitra amin’izay takìn’ny lalàm-pitondran-tena, amin’ny zo fototra maha-olona na amin’ny fampianaran’ny Evanjely. Ny fandavam-panekena ny mpitondra …
  13. 2243 Adidin’ny olom-pirenena Ny fanoherana ny tsindry hazo lena ataon’ny fahefam-pitondram-panjakana dia tsy tokony hampiasana araka ny rariny ny fitaovam-piadiana, afa-tsy raha feno ireto fepetra manaraka ireto : 1- amin’ny fandikan-dalàna marina, mamohehatra ary miitatra …
  14. 2244 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana Ny rafi-panorenana rehetra dia maka hevitra, na tsy mivantana aza, amin’ ny fijery lavitra ny olombelona sy ny fiafaram-piainany, izay amin’izany izy no misintona ny fanamafisan’antoky ny fandanjalanjany, ny ambaratongan-tsoatoaviny, ny sori-dalam-pitondran-tenany. …
  15. 2245 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana “Ny Fiangonana, noho ny fiadidiany sy ny fahefany manapaka, izay tsy mifangaro na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana amin’ny vondrona mpitondra fanjakana, dia sady famantarana no fiarovana ny toetra ambony …
  16. 2246 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana Anisan’ny fanirahana ny Fiangonana ny “mitondra ny heviny ara-môraly, na dia amin’ny lafiny mahakasika ny pôlitika aza, rahefa mitaky izany ny zo fototra maha-olona na ny famonjena ny olona, amin’ny fampiasana ny …
  17. 2247 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana “ Hajao ny rainao sy ny reninao ” (Det 5,16 ; Mk 7,10).
  18. 2248 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana Araka ny didy fahefatra, dia sitrak’Andriamanitra ny hanajantsika, manarakaraka Azy, ny ray aman-drenintsika sy ireo izay nomeny fahefana mba hanasoa antsika.
  19. 2249 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana Miorina amin’ny fikambanan’ny mpivady sy ny fifanekeny, ny tokantrano. Nalahatra ho amin’ny soa ho an’ny mpivady, ho amin’ny fiterahana ary ho amin’ny fanabeazana ny zanaka, ny fanambadiana sy ny fianakaviana.
  20. 2250 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana “ Mifamatotra mafy amin’ny firindra tsara ny fiainana ao an-tokantrano sy ny fianakaviana, ny soa ho an’ny olona sy ho an’ny mpiara-monina, na amin’ny maha-olona tsotra azy na amin’ny maha-kristianina azy ” …