Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1891 II. Ny fibebahana sy ny fiaraha-monina Mba hampivelatra ny olombelona araka ny toetrany voa-Janahary, dia mila ny fiainam-piaraha-monina izy. Misy ireo endri-piaraha-monina sasantsasany, toy ny fianakaviana sy ny mpiray tanàna, no mifanandrify kokoa avy hatrany amin’ny toetra voa-Janahary …
  2. 1892 II. Ny fibebahana sy ny fiaraha-monina “ Ny olombelona no, sady tsy maintsy, ho foto-piandohana sy antom-panaovana ary tanjom-piafaran’ny rafitra rehetra ajoro momba ny fiaraha-monina ” [14] .
  3. 1893 II. Ny fibebahana sy ny fiaraha-monina Ilaina ny mampirisika ny olona handray anjara malalaka amin’ireny fikambanana miorina sy rafitra nofidìna ajoro ireny.
  4. 1894 II. Ny fibebahana sy ny fiaraha-monina .Araka ny fitsipika fototry ny fifamenoana amam-pifanampiana, na ny Fanjakana na ny iray amin’izay seha-pikambanana midadasika bebe kokoa, dia tsy misy mahazo misolo toerana ny olona tsirairay sy ny vondrona mpanelanelana, amin’ny …
  5. 1895 II. Ny fibebahana sy ny fiaraha-monina Manana adidy hampandroso ny fampiasana ny hatsaram-panahy ny fiaraha-monina, fa tsy ho vato misakana izany. Ireo ambaratongan-tsoatoavina marina no tokony hitsilo ny saina amin’izany.
  6. 1896 II. Ny fibebahana sy ny fiaraha-monina Amin’ny toerana izay hanimban’ny fahotana ny toe-javatra iainan’ny fiaraha-monina, dia ilaina ny mangata-bonjy ho amin’ny fibebahan’ny fo sy ho amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Ny fitiavana no manosika ho amin’ ny fanavaozan-toetra tena izy. Tsy …
  7. 1897 I. Ny fahefana mifehy “Tsy hilamina sy tsy hahavokatra ny fiainan’ny mpiara-monina raha tsy misy olona omena fahefana ara-dalàna ka hiantoka ny fiarovana ny lalàna fototra ary hiahy, amin’ny fepetra ampy, ny soa iombonana” [16] . …
  8. 1898 I. Ny fahefana mifehy Ny fikambanan’olona rehetra dia mila fahefana mifehy azy [17] . Ao amin’ny toetra voa-Janahary maha-olombelona no misy ny fototry ny fahefana mifehy. Ilaina amin’ny fampiraisana ny mpiray tanàna izy. Ny anjara asany …
  9. 1899 I. Ny fahefana mifehy Avy amin’Andriamanitra no ipoiran’ny fahefana mifehy takìn’ny lalàm-pitondran-tena : “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana ara-dalàna mampiasa fahefana, satria tsy misy fahefana tsy avy amin’ Andriamanitra, ary ny fahefana rehetra …
  10. 1900 I. Ny fahefana mifehy Ny adidim-panekena no manery ny rehetra hanome voninahitra ny manam-pahefana araka izay tokony hatao aminy, hanome haja, ary araka ny mahamendri-balisoa azy ireo, hanome fankasitrahana sy haneho fitiavana ny olona izay miandraiki-draharaha …
  11. 1901 I. Ny fahefana mifehy Raha avy amin’ny fandaharana naraikitr’Andriamanitra ny fahefana mifehy, “ny mametra amin’izay ho lasi-pitondram-panjakana kosa, toy izany koa ny manendry izay ho mpitondra azy ireo, dia tokony havela hiankina amin’ny sitrapo malalaky ny …
  12. 1902 I. Ny fahefana mifehy Tsy avy amin’ny tenany no hahatonga ny fahefana mifehy ho ara-dalàna ara-môraly. Tsy tokony hanao teniko fe lehibe sy didy boraingona izy, fa hiasa ho an’ny soa iombonana, ka mova tsy “hery …
  13. 1903 I. Ny fahefana mifehy Tsy miasa ara-dalàna ny fahefana mifehy raha tsy ny soa iombonan’ny vondron’olona noheverina ho amin’izany no katsahiny, ary mba hahatratrarany izany, dia ny fomba ara-pitsipi-pitondran-tena eken’ny lalàna no ampiasainy. Raha sendra mamoaka …
  14. 1904 I. Ny fahefana mifehy “Tsaratsara kokoa ny fahefana rehetra, raha ampifandanjana amin’ny fahefana hafa sy amin’ny fahefana manapaka hafa izay mampaharitra azy ao anaty fetra ara-drariny. Izany no fitsipika fototry "ny Fanjakana tan-dalàna" izay ny lalàna …
  15. 1905 II. Ny soa iombonana Araka ny toetra voa-Janahary ny fiaraha-monin’ny olombelona, dia tsy maintsy ampifandraisana amin’ny soa iombonana ny soa ho an’ny tsirairay. Tsy mety ho voafaritra mazava ny hoe soa iombonana raha tsy ampifandraisina amin’ny …
  16. 1906 II. Ny soa iombonana Ny hoe soa iombonana, dia “ny fitambaran’ny fepetra ara-piaraha-monina izay ahafahan’ny fikambanana rehetra na ny mpikambana tsirairay ao aminy mahatratra ny fahalavorarian’izy ireo, amin’ny fomba fenofeno kokoa sy moramora kokoa” [27] . …
  17. 1907 II. Ny soa iombonana Ny ilainy voalohany dia ny fanajana ny olona amin’ny maha-olona azy. Amin’ny anaran’ny soa iombonana, dia tsy maintsy manaja ny zo fototra sy tsy azo foanana ananan’ny olona ny Fanjakana. Tsy maintsy …
  18. 1908 II. Ny soa iombonana Faharoa manaraka izany, ilain’ny ny soa iombonana ny fiadanan’ny mpiara-monina sy ny fampandrosoana ny vondrona amin’ny maha-izy azy. Ny fampandrosoana no famintinana ny adidy rehetra ara-piaraha-monina. Marina fa anjaran’ny fahefana mifehy ny …
  19. 1909 II. Ny soa iombonana Farany, ilain’ny soa iombonana ny fandriampahalemana , izany hoe ny faharetana sy ny filaminan-tsaina avy amin’ny filaminana marina. Koa ilainy àry ny hiantohan’ny fahefana mifehy, amin’ny fomba mendrika, ny filaminan-tsain ’ny mpiara-monina …
  20. 1910 II. Ny soa iombonana Isaky ny fikambanan’ny olona dia samy manana soa iombonana izay ahafahany mahalala ny tenany amin’ny maha-izy azy, fa ao amin’ny vondrom-bahoaka kosa no ahitana ny fahatanterahany feno indrindra. Anjaran’ny Fanjakana ny miaro …